Politique

CEMGAM Handeha tsy handeha any Pretoria


  • Talata 27 Aprily 2010

Tsy tafiditra ao anatin’ny delegasion’ny ankolafy Rajoelina hanatrika ny fihaonana atsy Pretoria manomboka anio indray ny lehiben’ny etamazaoro jeneralin’ny tafika Malagasy (CEMGAM) ny jeneraly Ndrianarijaona André, na dia efa nahoraka be aza ny herinandro lasa teo fa ao anatin’ny lisitr’ireo handeha.

Araka ny tsiliantsofina re dia toa hoe antony ara-pahasalamana indray no tsy handehanany. Raha ny resaka re koa dia tsy ankasitrahan’ny maro an’isa eo anivon’ny tafika ny fandehanan’ity manamboninahitra ity, satria fifampiresahan’ny mpanao politika no hitranga any, ka tsy tokony hidiran’ny miaramila mihitsy. Tsy mitombina ihany koa ny filazana fa tandroka aron’ny vozona sy tsy momba ny atsy na ny aroa ny tafika raha toa ka miditra ao anatin’ny ankolafy iray ny lehibeny. Ka noho izany rehetra izany, dia mahita ny maro fa fanapahan-kevitra tsara ny tsy handehanan’ny CEMGAM any Afrika Atsimo. Mety hiteraka olana hafa ho saro-bahana eo anivon’ny foloalindahy indray mantsy ny mifanohitra amin’izay. Anio moa no voatondro fa hiaingan’ireo delegasiona avy eto Madagasikara hihazo an’i Afrika Atsimo. Raha ny vaovao voaray dia mety tsy hiova firy fa ho tahaka ny mahazatra ihany ny olona handrafitra ny ankolafy Rajoelina, izany hoe ahitana an’i Norbert Lala Ratsirahonana, mpanolotsaina manokana ny filohan’ny HAT, ny vice amiral Hippolyte Ramaroson praiminisitra lefitra misahana ny raharaham-bahiny, Haja Resampa sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny tetezamita. Mety ho anisan’ny delegasiona ihany koa ny minisitry ny fanapariaham-pahefana Hajo Andrianainarivelo izay isan’ny minisitra itokisan’i Andry Rajoelina. Tsy dia ahitana fiovana firy ihany koa fa hitovy ny hita tany Maputo sy Addis Abeba ny mpikambana ao amin’ny delegasion’ireo ankolafy telo hafa.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

Hijery ny tohiny
FTT