“Halohalika ny ranom-bary ! Maninona no tsy mety mifampiraharaha foana, herintaona aty aoriana?”. Fanontaniana napetrak’ireo firaisamonim-pirenena mivondrona ao amin’ny vondron’ireo olom-pirenena sy ny fiarahamonim-pirenena na ny CCOC ireo.
Manantena vahaolana ho an’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy ity vondrona ity amin’io fihaonana any Pretoria amin’ny 28 aprily io fa tsy vahaolana ho an’ny mpanao politika. Raha ny tokony ho izy dia anisan’ireo mandray anjara amin’ny karazana fihaonana toy izao ny fiarahamonim-pirenena hiarovana ny vahoaka. Saingy tsy voaantso izy tamin’ity dinika ity. Ny fiarahamonim-pirenena manko dia tsy tokony hiandany amina firehana fa miandany kosa any amin’izay misy ny tombontsoam-pirenena. Ho an’io fihaonana izay manan-danja amin’ny hoavin’ny firenena io dia heverin’ny CCOC fa tokony hifanarahana avokoa ny zavatra rehetra, ary handray anjara avokoa ny rehetra. Mila mangarahara ny zavatra ifanarahana, hoy ny CCOC. Ankoatra izay, tsy mila miandany amin’ny atsy na ny aroa ny fianakaviambe iraisam-pirenena, hoy ity vondrona fiarahamonim-pirenena ity ary tsy tokony hanana kisarisary efa voaomana. Ho an’ny CCOC, raha tsy hisy vokatra io fihaonana any Pretoria io dia hiakatra ambony kokoa ny raharaha. Momba ny fifidianana indray dia heverin’ny CCOC fa tsy miantoka fifidianana malalaka sy marina ary madio ny fisiana vata mangarahara, na koa ny CENI najoro amin’izao fotoana izao. Tsy nifanarahana ireo olona lazaina fa solontenan’ny vondrona misy azy ao.
Tsy tombontsoam-pirenena koa, hoy ny CCOC ny hilatsahan’i Andry Rajoelina hofidiana ho filoham-pirenena. Raha ny satan’ny vondrona afrikanina manko no jerena, hoy izy ireo dia tsy afaka mirotsaka hofidiana izay rehetra nandrombaka na naka fahefana tsy tamim-pomba demokratika. “ Ahoana no hahamarin-toerana ny fitondrana raha olona tsy nandalo fifidianana no mitondra ny firenena. Tsy hisy fahamarinan-toerana mihitsy izay fanjakana mijoro eo raha avela hitondra izay nanongana tsy tamim-pomba demokratika”, hoy ihany ireto vondrona ireto. Ankoatra izay, ireo rehetra nandray anjara na handray anjara amin’ny tetezamita dia tsy tokony hilatsaka hofidiana ihany koa, hatramin’ny lehiben’ny faritra. Nasian’ny CCOC teny koa ny momba ny famafan-keloka faobe, izay heverin’izy ireo fa tokony hiverenana ny mijery azy satria mila jerena isaky ny tranga miseho ary tokony holanjalanjaina izany hisorohana ny tsy maty manota.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.