Mbola sangodim-panina ihany aloha no mahazo laka eo amin’ny tontolo politika amin’izao fotoana raha ny fandinihan’ny maro azy.
Tsy mety hita ny marimaritra iraisana na dia efa raikitra ihany aza ny fifampidinihan’ny samy Malagasy, ny antony dia satria maro loatra ny tsy itovian-kevitra, ary misy ny lohahevitra izay tena mampifanipaka ny fomba fijery tanteraka, tahaka ny famotsoran-keloka sy ny momba ireo filoham-pirenena teo aloha. Fa anisan’ireo mampitarazoka ny ady hevitra ary maha ela ny fahitana ny marimaritra iraisana ny mikasika ny fanendrena ny praiministra vaovao sy ny fanovana ny mpikambana eo amin’ny governemanta. Efa nisy ihany ny anarana nivoaka avy amin’ireo mpanao politika, saingy raha ny fahitana azy dia tsy dia mety loatra amin’ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina izy ireny. Nanambara an-kolaka mantsy ity farany ny alahady alina teo fa tsy fotoana tokony hanovana ny praiministra sy ny governemanta intsony izao, saingy mandinika ihany ny tolo-kevitra tonga eo am-pelatanany izy. Efa hatry ny ela tokoa no tsinjon’ny maro fa tsy te hanala, na tsy afaka manala an’i Camille Vital i Andry Rajoelina. Vinavinain’ny maro mantsy fa olona napetraky ny Frantsay io praiministra io, izy rahateo miaramila, ka karazana fankasitrahana ireto farany tamin’ny fanohanany an’i Andry Rajoelina ny fametrahana an’i Camille Vital eny Mahazoarivo.
Eo amin’ny lafiny politika anefa dia mbola manome endrika ratsy ny fitondrana tetezamita ny hitantanana miaramila ny governemanta, miaramila izay hita mibaribary fa nisy tamin’ny ampahany nanohana tanteraka an’i Andry Rajoelina tamin’ny fanonganam-panjakana nataony tamin’ny 2009. Ireo mpanao politika ihany koa, dia vitsy no resy lahatra fa tena tsy momba ny atsy na ny aroa marina i Camille Vital. Ho an’ny sehatra iraisam-pirenena dia tsy mankasitraka firy ny hidiran’ny miaramila lalina loatra amin’ny fitantanana ny tetezamita izy ireo, indrindra fa efa nisy ny fifampidinihana teo amin’ny samy mpanao politika. Fehiny dia anisan’ny sakana lehibe amin’ny famahana ny krizy ny fizirizirian’ny filohan’ny FAT hitazona amin’ny toerany ny praiministra Camille Albet Vital, satria tsy haharesy lahatra ireo mpanao politika mihitsy izany, fa amin’izy ireo dia olom-baovao ary tena ahitana taratra ny «neutralité politique» tena izy no tendrena ho praiministra, fa tsy olona mitovy fironana amin’i Andry Rajoelina. Ary raha toa ka tsy mety izany dia tsy vitsy ny mieritreritra hoe tokony ho praiministra avy amin’ilay ankolafy nifanolana tamin’ny ankolafy Rajoelina no tendrena, ka hita taratra tsara amin’izay ny fiaraha-mitantana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.