Politique

Camille Vital Nihaona tamin’ny Parlemantera frantsay


  • Zoma 23 Jolay 2010

Nihaona tamin’ny praiministra lehiben’ny governemanta FAT, Camille Vital, ny alarobia lasa teo teny Mahazoarivo ireo Parlemantera frantsay 5 sy teknisianina mpiara-miasa amin’izy ireo 4 izay tonga mitsidika antsika.

Niaraka tamin’izy ireo tamin’ity fihaonana ity koa ny ambasadaoro frantsay, Jean Marc Châtaigner. Araka ny fantatra dia tonga hijery ny zava-misy marina manodidina ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny sy ny toe-draharaha politika ireto Parlemantera frantsay ireto. Nambaran’izy ireo mantsy fa maro loatra ny resaka miparitaka any ivelany any, tahaka ny hoe foana avokoa ny tetiandro rehetra momba ny fanatanterahana ny fifidianana. Nanamafy moa izy ireo fa tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny fitondrana teo aloha no manely izany resaka izany. Manohana ny fikaroham-bahaolana eo amin’ny samy Malagasy ireto Parlemantera ireto ary mampirisika ireo izay hikarakara ny Dinika santatra mba hahavita be amin’izay ataony rehetra. Efa nihaona tamin’ny fiarahamonim-pirenena ihany koa ireto Parlemantera frantsay ireto ary nilaza fa hanampy antsika sy hitondra ny traikefany eo amin’ny sehatry ny fitsinjaram-pahefana.

Raha atao bango tokana ny resaka rehetra sy ny tena anton-dian’ireto Parlemantera frantsay ireto dia fanamafisana ny fanohanan’ny Frantsa ny tetezamitan-dRajoelina sy ny fanohanana izay rehetra ataony. Toa manamafy ny eritreritry ny maro izao fitsidihana izao fa sinema avokoa ny fanakianana ny tetezamita nataon’ny masoivoho Frantsay teny Ivandry fa ny tena marina dia ao ambadiky ny FAT ry zareo. Hatramin’izao mantsy dia tsy nisy akory ny fepetra noraisin’ny FAT momba ny fanafoanana ny FIS, izay nambara fa tsy manaja ny zon’olombelona, notakian’i Frantsa tamin’ny alalan’ny masoivohony, fa toa vao mainka aza mampitombo ny fanohanany sy ny fanampiany i Lafrantsa.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT