Politique

Camille Vital Nihaona tamin’ny manamboninahitra frantsay


  • Talata 13 Aprily 2010

Mampitombo ny fihaonana amin’ireo karazan’olona sivily sy miaramila tato ho ato ny praiminisitry ny HAT, Camille Vital.

Ny vaovao re farany dia nihaona tamin’ny tompon’andraikitra ara-miaramila frantsay miasa ao amin’ny masoivoho frantsay, ny sabotsy lasa teo ny praiminisitra. Amin’ny maha fihaonana tsy ofisialy azy, dia tsy nisy koa ny fampitam-baovao ofisialy, saingy azo antoka fa manodidina ny raharaham-pirenena sy ny famahana ny krizy mikotrika eo anivon’ny foloalindahy no anton’izao fihaonana izao. Nibaribary tato ho ato fa misavorovoro ny miaramila, indrindra taorian’ny nanilihana ny minisitry ny foloalindahy ny jeneraly Noel Rakotonandrasana. Araka ny tsiliantsofina re ihany dia manomboka tsy mahafaly ny manamboninahitra maro, eny fa na dia ireo tsy niteny mihitsy aza hatramin’izay, ny fihaonana eo amin’ny praiminisitra sy ity tompon’andraikitra ara-miaramila frantsay eto amintsika ity. Amin’izy ireo tokoa mantsy dia midika ho fidiran’i Frantsa amin’ny raharahan-tokantranon’ny malagasy, indrindra fa ny tafika malagasy izao fihaonana izao. Ekena, hoy ireto manamboninahitra ireto fa ilaina ny fakan-kevitra sy fifanakalozana traikefa, saingy tsy mety kosa ny hoe ny manamboninahitra avy amina firenena hafa, na iza io na iza, no hibaiko an-kolaka ny miaramila malagasy, na handroso vahaolana hamahana ny krizy eo anivon’ny tafika malagasy. Efa hatramin’ny niandohan’ity krizy ity rahateo no nahoraka fa i Frantsa no tao ambadiky ny fanonganana ny fitondrana Ravalomanana, ka ny mampanahy ny ao amin’ny foloalindahy dia ity fitsabahana, indray amin’ny raharahan-tokantranon’izy ireo ity. Ary ny tena mampatahotra aza, dia alaim-panahy ny maro hieritrertra fa mety ho marina ihany ve izany, ilay siosion-dresaka nilaza fa efa miandry fotsiny aty amin’ny fari-dranomasintsika sy amin’ny nosy manodidina antsika ny tafika frantsay, vonona ny hiditra eto raha ilaina izany, ary raha misy miantso vonjy na fanampiana aminy. 

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT