Politique

Camille Vital Nidina tampoka tany Tolagnaro


  • Alatsinainy 04 Jolay 2011

Nihazo maika an’i Tolagnaro ny jeneraly Camile Vital ny zoma 01 jolay antoandro, tsy niatrika ny lanonam-paranana ofisialy ny fotoam-pivoriana voalohan’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita.

 Tampoka ihany ny fahatongavany tany, satria tsy dia nisy fanomanana fitsenana fanao rehefa misy olom-panjakana manatanteraka iraka any amin’ny Faritra fa nangingina. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia nihazo an’Ambovombe ny tenany nitokana biraon’ny Faritra, saingy tsy naharitra ela fa ora vitsy ihany. Na izany aza dia tsy vitsy koa no mametra-panontaniana raha toa ka misy ifandraisany amin’ny nahatrarana “bois de rose” 223 isa tao Ambinanibe tsy lavitry ny seranam-piaramanidina Tolagnaro ny alarobia 29 jona lasa teo ny fahatongavany tany. Volana vitsy lasa mantsy raha nisy “bois de rose” tratra tany amin’iny faritra Manantenina iny dia nidina tampoka tany koa ny tenany.

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT