Politique

Camille Vital Nanao vavabe tany Toamasina


  • Alatsinainy 06 Septambra 2010

Nandritra ny fandalovan’ny praiministra Camille Vital tao Toamasina ny zoma teo, nitokana ny toby famokarana herinaratra sy niatrika ny fanolorana mari-boninahitra ny mpiasan’ny Jirama, no nanararaotany ihany koa naneho ny heviny mikasika ny raharaha politika.

Anisan’izany ny zava-misy any Toliara ankehitriny. Nambarany fa “raha tena lehilahy tamin’ny zavatra nataony ny Profesora (Elimberaza Mandridake), dia tsy tokony hiafina fa hijoro ho lehilahy tamin’ny fanakorontanana sy ny hevitra nentiny”. Nohamafisiny hatrany fa “mitohy ny fisamborana ireo mpanakorontana ao Toliara ireo, ary na miafina aza ingahy Profesora dia eo am-pikarohana azy ny mpitandro ny filaminana nampanaovina iraka manokana avy ao Antananarivo nalefa any an-toerana, tsy maintsy mizaka ny nataony ny tsirairay”. Tsy nihanona fotsiny tamin’izay ny praiministra Camille Vital fa niresaka politika sy ny fihaonan’ireo mpanao politika, ka nilazany fa “tsy Malagasy ireo Ankolafy Telo ireo satria tsy mahasolo tena ny Malagasy 20 tapitrisa akory. Ilay MAP ‘Maputo – Addis-Abeba – ary Pretoria’ hijoroan’izy ireo dia efa maty raha ho anay governemanta, ka tsy hitako intsony ny hisisihana amin’izany”. Nasiaka mihitsy moa ny jeneraly praiministra sady ministry ny fifandraisan-davitra nanambara fa “na hanao na tsia, ireo Ankolafy Telo efa very mpiara-dia ireo, dia miroso hatrany ny fitondrana tetezamita ary tsy maintsy atao ny 13 hatramin’ny 18 septambra izao ny fihaonambem-pirenena.

Ho an’ireo vondrona iraisam-pirenena kosa, aleo ho any ireo izay tsy te hiara-hiasa amin’ny Malagasy sy ny fitondrana tetezamita fa efa maro ny firenena mifanampy amintsika ankehitriny toy ny Sinoa, sy Inde ary ry zareo Arabo, manginy fotsiny ny Frantsay niaraka hatrany nandritra izay krizy efa hananiky ny roa taona izay”. Ankoatra izay, nambarany koa fa “tsy voatery ingahy Chissano no hahavaha ny krizy sy ny olana Malagasy, efa mandray andraikitra sy ny asany ireo mpanao politika Malagasy, ka raha hiziriziry tsy hanaiky antsika ny SADC sy ny vondrona Afrikanina ary ny vondrona Eropeanina ary ireo firenena mifandray tendro aminy, dia tsy maintsy ho avy eo foana ny fankatoavana iraisam-pirenena, miandry ny fahavitan’ny fihaonambe fotsiny izany dia azontsika tanteraka”. Izao izany ilay hoe “Wait and See”.

 
ENCADRE
Natao nahoraka ho ren-tany ilay fitondrana FAT manao fitsitsiana ny volam-panjakana. Ny zava-nisy tao Toamasina tamin’ity dia nataon’ny delegasionina notarihan’ny jeneraly Camille Vital ity, dia ministra efatra ankoatra ny tena “baban-jaza”, Rodolphe Ramanantsoa no niaraka taminy, nahitana an’i Serge Ranaivo (tanora sy alavoly), Nihry Lanto Andriamahazo (rano), Jaonina Mamitiana (fambolena), Hyppolite Ramaroson (raharahambahiny). Fiaraisankinan’ny governemanta no iantsoan’izy ireo izao, manginy fotsiny ny vady aman-janak’izy ireo sy ny mpiara-miasa aminy avy. Raha misy tokoa ny fitsitsiana dia azo heverina izany fa na ny orinasa Jirama tompom-pety na ny orinasa Sinoa nahazo ny fanamboarana ny toby, no niantoka ireto andiana ministra mitsitsy ireto. Ity izany ilay atao hoe, tsitsiana ny volan’ny tena fa ny an’ny hafa laniana. Ny dokambarotra politika vita, ny fahafinaretana manao vakansy koa azo, ny vady aman-janaka afa-po mahita tany, ny vola tsy lany fa nitombo aza ny any an-tsakelika.
 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT