Politique

Camille Vital Miezaka mandresy lahatra ireo ankolafy 3


  • Alarobia 10 Martsa 2010

Nandefa iraka manokana nitety ireo ankolafy 3 (Ratsiraka, Ravalomanana, Zafy Albert) nanomboka ny faran’ny herinandro lasa teo ny Praiminisitry ny HAT Camille Vital.

 Tsy ireo mpikambana rehetra tao anatin’ireo ankolafy telo ireo anefa no tafaresaka tamin’ireto iraka manokana ireto fa ny sasantsasany ihany. Ny mety hisian’ny fiaraha-miasa atsy ho atsy amin’ny fananganana governemantan’ny firaisam-pirenena no tena nifantohanan’ny resaka, araka ny tsiliantsofina re. Nitondra soso-kevitra ny amin’ny fananganana ireo andrim-panjakana handrafitra ny tetezamita koa anefa ireto iraky ny kolonely Camille Vital ireto. Ho an’ireo ankolafy telo kosa dia mazava ny resaka hatramin’izay ka hatramin’izao : tsy misy mandà ny fifampiresahana sy fifanatonana mihitsy, saingy raha hiresaka fananganana ny rafitra tetezamita dia izay mifanaraka amin’ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba ihany no fototra iaingan’ny resaka.

Tsy vahaolana ary tsy azo ekena ny ankoatr’izay. Midika izany rehetra izany fa tsy hisy vokany mivaingana ity hetsika ataon’ny praiminisitry ny HAT, Camille Vital, ity. Raha ny resaka mandeha anefa dia tsy mbola kivy ny ao amin’ny HAT fa mitady ny hevitra rehetra ahafahany mandresy lahatra ny ankolafin-kery hafa mba hanaiky ny drafitra atolony. Mandeha koa ny fitetezana ireo antoko politika, fikambanana maro samihafa ary ny fiarahamonim-pirenena ny amin’ny mety ho endriky ny fiaraha-miasa. Etsy an-kilan’izany dia tsy mitsahatra ny mivory ireo mpikambana ao amin’ny governemanta sy ny HAT maraina, antoandro, hariva, alina handinihana izay tokony hatao, satria efa miha akaiky ihany ilay datin’ny 16 martsa hilatsahan’ny sazy, ka ireo manampahefana no tena iharan’izany.

 
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT