Tsy fantatra intsony na fialana bala ao anatin’izao fampielezan-kevitra mandeha ankehitriny izao, na matahotra ny fandikan-dalàna izay nataony, fa niteny tsy nanontaniana mihitsy ny Praiministra Camille Vital raha niatrika ny lanonana mikasika ny fijereny ny trano vaovao sy trano nasiam-panarenana teo anivon’ny vondron-tafika tao Toamasina ny faran’ny herinandro teo.
“Tsy fitokanana izao lanonana ataon’ny tafika izao, fa lanonana fandraisana ara-teknika ny trano vaovao sy ny birao vaovaon’ny vondron-tafika eto Toamasina”. Raha ny lalàm-pifidianana rahateo no arahina dia “tsy azo atao ny fitokanam-panjakana...mandritra ny fotoan’ny fampielezan-kevitra”. Raha ny zavatra hita anefa dia nisy ny fanapahana “ruban” misy ny lokon’ny sainam-pirenena Malagasy, solontenam-panjakana maro nahitana ministra maromaro, lehiben’ny faritra ary ny teo anivon’ny Kaominina, no nanotrona ny Praministra izay efa lehiben’ny mpiasam-panjakana rahateo. Raha fandraisana ara-teknika sy ofisialy ny birao sy ny trano vaovao mantsy no natao dia tokony ho ny samy tafika sy ny samy miaramila no nanao ny lanonana. Ankoatra izany, mipetraka ho tantara ho an’ny tafika Malagasy ao Toamasina ny fahazoana ireto trano vaovao ireto. Sambany mantsy tao anatin’ny 35 taona (septambra 1975 - oktobra 2010) naha vondron-tafika azy tao Toamasina (RM3), vao nanana ny biraony manokana izy ireo.
Efa im-pito niova trano fiasana ity vondron-tafika ity tao anatin’izay 35 taona izay ka ny “Maison Rouge” manakaiky ny araben’ny fahaleovantena no farany teo. Ny orinasa Tsaravintana no nanao ny asa, niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka maro izay niantoka ny vola nanaovana ny asa rehetra. Ilay “Cité des officiers” efa simba be ao Ampasimazava no natao takalon’ny fanamboarana noho ny tsy fisiam-bola. Maoderina ny trano ary mendrika izany tafika tandroka aron’ny vozona izany. Ny herinaratra anefa no mbola olana ao amin’ilay birao vaovao ka na eo aza ireo fitaovana raitra napetraka ao dia samy tsy misy mandeha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.