Politique

Camille Vital Handrehitra afo …


  • Alarobia 31 Martsa 2010

Nanao ranolava ny fanehoan-kevitry ny mpanao politika sy ny mpitondran’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, manoloana ny trangan-javatra niseho ny andron’ny 29 martsa 2010 nisiana savorovoro teo Ambohijatovo, nandritra ny lanonana fanamarihana ny tsingerintaona faha-63 ny tolom-panafahan’ny 1947.

Ny andaniny nilaza fa fotoana nisehoan’ny fitiavan-tanindrazana teo amin’ny Malagasy ny nitranga teo Ambohijatovo, ary manaporofo fa tsy ny Malagasy manontolo no mankato ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, tarihin’i Andry Rajoelina. Ny ankilany indray tsy nahita afa tsy ny nanamelohana ary nanondro ny ankolafy telo ho tsy manaja raiamandreny, ka dia handraisany andraikitra. Nampiantso mpanao gazety teny amin’ny Lapan’ny Praiminisitra eny Mahazoarivo i Camille Vital, nilazany fa handray fepetra hentitra ary nanome toromarika ny zandary izay mandray an-tanana ny fanadihadiana. Nolazain’i Camille Vital fa nisy mpaniraka ireo mpanao fihetsiketsehana teny Ambohijatovo, ary avy any ivelany ny mpampirisika. Handrehitra afo ny FAT raha izany, ary dia ho zava-poana ny fahatoniana politika eto an-tanàna ao anatin’izao herinandro masina izao.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT