Politique

Camille Mektoub Roa ny mpanohitra ny fitondrana FAT


  • Talata 09 Aogositra 2011

Mazava ny fanamarihana avy amin’ny mpitari-tolona Camille Mektoub ankolafy Zafy Albert tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly.

 “Manana mpanohitra roa ny FAT, dia ny ao anatiny efa mahatsapa fa tsy mety io sy isika”, hoy izy. Ny tetezamita maneran-tany anefa tsy misy mpanohitra satria iarahana mitantana ny tetezamita ka inona no ilana an’izany satan’ny mpanohitra izany ? Nivadika ho gaboraraka ilay fanalalahana ara-toekarena nahasarika ny mpandraharaha vahiny teo aloha. Eo amin’ny lafiny sosialy indray dia tsy mbola nisy ray nanolana ny zanany na namono ny zanany be dia be tahaka izao, tsy resahana intsony ny tsy fandriampahalemana.

Fanontaniana fanamarihana kosa no nentin’ny Solombavambahoaka voafidy tany Ankazobe, Ravelonanosy Mamitiana, nilaza fa “raha tsy misy ny vy sy ny andramena, avy aiza ny vola hanaovana ny zavatra rehetra eto, indrindra fa ny fifidianana ? Tsy misy manara-dalàna anefa izany rehetra izany. Dia nanao antso avo amin’ny SADC sy ny Iraisam-pirenena ity mpitari-tolona ity fa : “aoka ho fepetra no horaisinareo rehefa misy mitsivalana amin’izay tapaka manaraka fa mijaly ny vahoaka”.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT