Politique

Camille Mektoub Ny fialŕn’i Andry Rajoelina no vahaolana


  • Zoma 25 Janoary 2013

Niteraka resabe, tsy teto an-toerana ihany fa ny hatrnay ivelany ny fahasahiana lehibe nataon’ilay masoivoho frantsay vaovao, nilaza ampahibemaso fa tsy tokony hody eto i Marc Ravalomanana raha tsy efa vita ny fifidianana.

 “Tsy maintsy manao ireny izy hahazoany ny anjarany”, hoy i Zafilahy Stanislas tetsy amin’ny Kianajan’ny Magro omaly. Nambaran’ity filoha lefitry ny Kongresy ity fa nahatafitohina ny fianakaviambe iraisam-pirenena, toy ny Vondrona Afrikana sy ny SADC iny fanambarana iny satria samy miezaka mandamina kanefa ny sasany manankorontana. “Tsy misy hanaiky ho zanahan’i Frantsa indray eto”, hoy ihany i Zafilahy ka handray fepetra mifandraika amin’izany izahay fa tsy hisy hanaiky izany eto.

Nohajainay ny hoe fifampidinihana, hajainay koa ny filoha Marc Ravalomanana satria izy no fidianay ary haverinay eo amin’ny fitondrana, ny vahoaka Malagasy koa mila ny fiverenany eto, hoy hatrany i Zafilahy Stanislas ka raha tsy handray fepetra ianareo fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ny famerenana azy eto dia izahay no hamerina azy, hoy ihany izy nanamafy. Tsy misy miala eto raha tsy tonga ny prezida Ravalomanana, hoy i Zafilahy Stanislas tamin’ireo mpiara-dia aminy omaly. Nohamafisin’i Camille Mektoub izany fa tsy misy afa-tsy ny fahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana eto no vahaolana, eo koa ny fihaonana an-tampony, ny fametrahana tetezamita tena izy ary ny fialàn’i Andry Rajoelina.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT