Politique

Camille Mektoub Mamboly fahantrana Rajoelina


  • Alakamisy 10 Janoary 2013

“Kianja manara-penitra, hopitaly manara-penitra no hitany fa ny fahantrana manara-penitra tsy hitany”, hoy i Camille Mektoub nanoloana ny lahateny nataon’ny filohan’ny FAT teny Iavoloha omaly.

 Tena manara-penitra ny fahantrana nataon’i Andry Rajoelina tamin’ny Malagasy, hoy izy. Nasiany resaka koa ny momba ny filazan-dRajoelina fa tsy mila famatsiam-bola vahiny i Madagasikara. Raha iny kabarin-dRajoelina iny dia hihataka ihany koa izay famatsiam-bola kely sisa. Montotra avokoa ireo masoivoho vahiny tonga teny an-dapa, araka ny fanazavana ary ninia ny tsy hiteny izy ireo na dia teo aza ny zokiolona amin’izy ireo.

Notsiahivin’i Mektoub fa nanao sonia fifanarahana iraisam-pirenena i Madagasikara tamin’ny 2005, araka ny soso-kevitry ny Firenena Mikambana. Mba hisian’ny fampandrosoana haingana dia ireo vondrom-paritra akaiky ny firenena tsirairay no tokony hidirana ka izany no nahatonga an’i Madagasikara ho ao anatin’ny SADC. Rehefa miditra fikambanana iraisam-irenena toy ireny dia misy ny fifanarahana mamatotra ary tsy mitombina intsony ny fiandrianam-pirenena, hoy izy. Tetsy andanin’izany dia nambaran’i Camille Mektoub fa diso ny filazana fa amin’izao fotoanan’ny FAT izao vao nahazo ny maha tompondakan’i Afrika ny ekipa Malagasy eo amin’ny taranja rugby. Efa in-telo tompondakan’i Afrika i Madagasikara tamin’ny andron-dRavolomaso, ny taona 1957, 1958 ary 1959 nandritry ny «Jeux de la Communauté». “Lalaovin-dRajoelina toy ny saribakoly ireo mpilalao rugby, hoy i Camille Mektoub, ity farany izay nanao fanamarihana fa tsy tazana teny Iavoloha ireo filoham-piangonana efatra ao amin’ny FFKM omaly satria efa niova ny toe-draharaham-pirenena. Teo am-pamaranana dia nanipika mazava i Camille Mektoub fa tsy misy adihevitra ary tsy azon’iza na iza sakanana intsony ny fahatongavan’ireo filoha roalahy eto an-tanindrazana hiatrika ilay fihaonana an-tampony.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT