Ny fampodiana ny filoha Marc Ravalomanana aloha izao no ady atrehan’ny ankolafy mpanohana azy ka tsy mbola misy resaka ny momba izay olona hisolo azy amin’ny fifidianana filoham-pirenena araka ny nambaran’ny praiminisitra lefitra misahana ny toekarena sy taozava-baventy, Botozaza Pierrot.
Rehefa tafaverina an-tanindrazana ny filoha Ravalomanana no manambara izay kandidan’ny ankolafy ; «izay kandida izay no tohanan’ny ankolafy sy ny vahoaka manohana azy», hoy hatrany izy. Momba ny resabe mandeha milaza fa mety hirotsaka kandida filoham-pirenena amin’ny anaran’ny ankolafy Ravalomanana i Botozaza Pierrot dia nilaza izy fa nijanona ho mpanohona ity filoha teo aloha ity hatrany ny tenany na teo aza ny fanenjehena azy ary mbola vonona amin’ny fiaraha-miasa aminy tamin’ny alalan’ny fanekeny natolotra ho praiminisitry ny marimaritra iraisana sy amin’ny fidirany ao anatin’ny governemantan’ny firaisam-pirenena. Nampiany fa olona manaja ny fitsipiky ny antoko izy ka tsy olana aminy koa raha olon-kafa no tendren’ny filoha Marc Ravalomanana kandida filoham-pirenena.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.