Politique

Botozaza Pierrot Anaovan’ny fanjakana antsojay ihany koa


  • Alatsinainy 17 Jolay 2017

Saro-tahotra loatra amin’ny hetsika misy ataon’ny olom-pirenena ankehitriny ny fitondram-panjakana, hany ka izay hetsika misy na ara-tsosialy tsotra ataona fikambanana ara-tsosialy aza dia anaovana antsojay.

 Niharan’izany ny fikambanana “Zanaka Ambanivolo MIvoatra” na “ZAMI” tao Mahavelona Foulpointe ny herinandro nivalona teo. In-droa miantoana no nosakanana ity fikambanana ity noho ny tahotra ny filohany Atoa Botozaza Pierrot, izay fantatry ny olona tamin’ny maha mpanao politika azy, nefa efa miroso bebe kokoa amin’ny asa sosialy izao izay nananganany sy ireo namany ny fikambanana “ZAMI”. Noho ny fangatahana nataon’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra sy ireo mpanabe ao Mahavelona Foulpointe, noho ireto  mpiadina bakalorea miisa 122 manana olana hiatrika ny fanadinam-panjakana ity ao Toamasina renivohitra misy ny foibem-panadinana no anton’ny hetsika. Ny alakamisy no tokony ho nanaovana ny lanonana fanolorana ny vola fanampiana ireto mpianatra sy ny mpanara-dia azy ireo miisa 6, saingy nosakanan’ny lehiben’ny distrika noho ny fanomezam-baovao diso azony. Nisy ny fangatahana manaraka sy fanazavana ny anton’ny lanonana taorian’izay, ka nanekeny ny hanaovana ny lanonana ny zoma saingy tamin’ny ora farany dia nolavina indray. Tsy nihemotra tamin’ny fotoana efa vitany anefa ny ZAMI ka natao tao an-tokotanin’ny olon-tsotra. Tsy nahafaly ny lehiben’ny distrika io ka nandefa mpitsikilo izy nijery ny asa sosialy nataon’ny fikambanana, ka nanolorana ny vola 4.340.000 ariary ho an’ireto mpiadina miisa 122 sy ireo mpanara-dia miisa 06, hataon’izy ireo solon-tsakafo sy saran-dalana ary fanampiana samy hafa ihany koa. “Ny zaza hanjary tsy tan-tsitsika”, hoy Atoa Botozaza Pierrot. Hitohy any Antsohihy ny asa sosialin’ny ZAMI ny volana aogositra izao.

 


 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT