Politique

Boky vaovao Madagasikara : ho aiza marina ?


  • Zoma 24 Jona 2011

«Izao trangan-javatra misy eto amin’ny firenena izao dia disadisa efa niotrika efa ela, mety efa hatramin’ny fanjanahantany mihitsy aza», hoy i Johary Rakotonirina, mpanoratra.

 Tsy tongatonga ho azy, hoy ihany izy izao zava-misy iaraha-miaina izao. Toy ny firenena sy ny olona rehetra ny Malagasy, hoy ihany izy. Manana ny faniriany, ny hetahetany, ny vetsompony, mahalala mangirifiry ihany koa. Hatramin’ny nahazoantsika ny fahaleovantena, araka ny fanazavana ihany dia tsy nahazo aina ny Malagasy fa tanaty fahantrana sy fahoriana foana. Nampahantraina mihitsy satria tsy haintsika ny nitantana izany fahaleovantena izany kanefa dia dradraina fa manankarena i Madagasikara. Mampanahy ny hoavin’ny firenena hoy i Johary Rakotonirina. Izany indrindra no nanoratany boky, nametrahany fanontaniana hoe : “Madagasikara, ho aiza marina ?”.

Ao anatin’ny 160 pejy no hamoaboasany lohahevitra efatra toy ny hoe ny fahantram-bahoaka sy ny hoe tany manankarena. Ankoatra izay dia fanontaniana hafa koa no apetrany hoe avy aiza ka ho aiza tokoa moa isika sy ny tsetsatsetsa tsy aritra ny momba ny Repoblika faha-4, ny olom-panjakana sy ny maro hafa. 51 taona nahaleovantena i Madagasikara, hoy ihany ny mpanoratra. Nanao ahoana ny Malagasy nandritra izay 51 taona izay ? Disadisa politika 4 lehibe ohatra no niainan’ny firenena dia ny tamin’ny 1972, 1991, 2002 ary 2009. Natao hampieritreretana ny taranaka ity boky ity, araka ny fanazavan’i Johary Rakotonirina nanoloana ny mpanao gazety omaly.

Natonta tamin’ny teny Malagasy ny boky satria maro ireo tongo-bakivaky ka sady maharary no mahamenatra amin’izay mba mijanona ho raharaham-pianakaviantsika izany, raha ny fanazavana ihany, ary dia mba ho azon’ny Malagasy ny hafatra tiana ampitaina. Ny Trano printy loterana no niara-niasa tamin’i Johary Rakotonirina tamin’ny fanontana ity boky ity. Nandalina manokana ny filozofia sy ny fiarahamonina i Johary Rakotonirina. Efa mpanao gazety koa ny tenany ary amin’izao dia mpilatsaka an-tsitrapo eo anivon’ny Croix Rouge Malagasy.

 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT