Na dia efa maro tokoa aza ireo karazana dinika sy fihaonana ary fivoriambe dia mbola mieritreritra ny hikarakara fiaraha-midinika iray vaovao, nampisalorana ny anarana hoe «Forum» indray ny Comité pour la Sauvegarde et la Refondation Authentique de la Nation (CSR AN) tarihan’ny profesora Blanche Nirina Richard, araka ny fanehoan-kevitra nataon’ity farany tao amin’ny TV Plus ny faran’ny herinandro teo.
Nambarany fa tsy voatery hiaraka ao anaty vondrona amin’ny fikarakarana hetsika fanangonan-kevitra amin’ny famahana ny krizy, fa afaka manao izay fihaonana hitany fa mety dia atambatra fotsiny ny hevitra rehetra, avy eo any amin’ny fihaonambem-pirenena. Araka ny fanazavan-dramatoa Blanche Nirina Richard azy, dia karazana fanaovana tatitra tamin’ny zava-nitranga rehetra hatrizay ity «Forum» ity, izany hoe, mandritra azy io no hamintinana ny hevitra nisongadina tamin’ireo fihaonana nokarakarainy ny fikambanana na vondrona tsirairay avy. Aminy dia tsy olana politika fotsiny no misy eto Madagasikara amin’izao fotoana fa tena olana ara-tsosialy lalina. Matoa nisy andian’olona nidina an-dalambe sy nanao fitokonana, dia misy zavatra marary azy ao, ary mila itadiavana vahaolana. Ny andrandrain’ny rehetra, dia fiarahamonina tsaratsara kokoa noho ny teo aloha, ary ahitana marina ny fahalalahana dradradradraina lava.
Tsy marina loatra noho izany, ny filazana fa ny mpanao politika ihany no mahita ny vahaolana amin’ny krizy andalovan’ny firenena, araka ny heviny, fa tokony ho ny Malagasy rehetra mihitsy no mikaondoha, saingy tsy maintsy misy ny fandaminana atao ho fanatanterahana izany. Tsy tokony ho sodoka amin’ilay ho fiverenana na famerenana ny ara-dalàna fotsiny isika, hoy Rtoa Blanche Richard , satria raha izany no hatao dia mety hiverina ihany ny fomba fanao tsy nety tany aloha. Fananganana rafitra vaovao mihitsy no tokony himasoana, hoy izy ka izay ilay antsoina hoe : «refondation authentique de la nation». Ka tsy tokony hisy tolo-kevitra ho latsaka mihitsy amin’izany fa dia mila dinihana avokoa ny voaray rehetra, ka izay no ilana ny fanatanterahana ilay «Forum» hanaovana ny tatitra, sy handaminana ny fandravonana ireo tolo-kevitra rehetra fa tsy any amin’ny fihaonambem-pirenena akory vao hifanasa vangy indray, araka ny fanazavany ihany. Hisy ny komity manokana hapetraka hikarakara io «Forum» io, ka araka ny filazan’ny profesora Blanche Nirina Richard dia hanolotra solontena iray avy ao anatin’izany ny CSR AN, ny CNOSC, ny ESCOPOL, ny Ankolafy Telo sy ireo vondrona rehetra nikarakara fihaonambe teto amin’ny firenena. Izany no natao dia mba tsy hisian’ny mizàna tsindrian’ila, fa tena hevitry ny maro mahataka-davitra tokoa no hotanterahana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.