Tontosa omaly teny amin’ny CCI Ivato ny fivoriana faha 36 amin’ny filan-kevitry ny minisitra tao anatin’ny fivoriam-ben’ny COMESA.
Nanombohana izany moa ny fifidianana ireo birao mpitantana ary araka ny fantatra dia i Madagasikara no filoha, Burundi, izay hampihatrano ny fihaonana manaraka kosa no lefitr’izany. Etiopia, izay filoha teo aloha kosa no mpampaka teny. Vahiny nasaina manokana nandritr’ity filan-kevitra ity moa ny praiminisitra Olivier Mahafaly ary, araka ny fanazavany, dia zava-dehibe ho an’ny firenentsika ny fandraisana fihaonam-be tahaka itony. Efa miha miverina amin’ny laoniny, hoy izy, ny filaminana eto amin’ny firenena ary efa mametraka amin’ny toerany ny filaminana isam-paritra. Fotoana izao, hoy izy, hametrahana paikady mba hahatonga antsika ho sompitra aty amin’ny ranomasim-be indianina. Isan’ny nomarihan’ny praiminisitra ihany koa moa ny fiverenantsika indray ao anatin’ny tsenan’ny AGOA. Ankoatr’izay dia nasiany tsindrim-peo manokana ny mikasika ny tokony haha-zava dehibe ny fahatafidirantsika ao anatin’ny sehatra goavana tahaka itony ary mila lanjalanjaina ihany koa ireo tombony ho azo ao anatin’izany miaraka amin’ireo lanjam-bidin’ny fadin-tseranana (tarifs douaniers) izay napetraky ny OMC. Izany rehetra izany, hoy izy, no tokony hapetraka mialohan’ny fametrahana amin’ny toerany ny anjara toeran’ireo sehatra tsy miankina ao anatin’izany rehetra izany.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.