Politique

Birao maharitra CST Efa filoha lefitry ny FAT ny dimy


  • Zoma 15 Oktobra 2010

Notanterahina omaly ny fifidianana ireo mpikambana ao anatin’ny birao maharitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita na CST izay ahitana Filoha lefitra enina, iray isaky ny faritany, sy ny Kestora roa.

Voafidy ho filoha lefitra tamin’izany Rtoa Rakotomavo Lantotiana (Antananarivo), Patrick Mounibou (Antsiranana), Rajonson Bruno (Mahajanga), Roland Ratsiraka (Toamasina), Lahiniriko Jean (Toliara) ary i THU- Jaune Horace Mann (Fianarantsoa). Lany ho Kestora I, Razafimily Constance ary ho Kestora II kosa, Ravelonjato Bernard. Efa nitana ireo andraikitra ireo izy roalahy ireto tamin’ny rafitry ny FAT teo aloha.  Efa filoha lefitry ny FAT ihany koa ny efatra amin’iretsy filoha lefitra enina voafidy etsy aloha. Rakotomavo Lantotiana (TGV) sy i THU- Jaune Horace Mann (TIM nisintaka) no vaovao. Efa filoha lefitra teo aloha ihany koa ny filohan’ny CST, ny jly Rasolosoa Dolin. Hitohy anio moa ny fivoriana ka amin’izany no hifidianana ireo ho Filoham-baomiera sy andaniana ny fitsipika anatiny.

Nandritra ity fifidianana omaly dia tonga tao Anosikely ireo mpikamban’ny Escopol tsy nahazo seza, tarihin’i Pierre Raharijaona, nikasa hihaona sy hifanazava tamin’ny filohan’ny CST.
Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT