Politique

Betafo Babangoana ny tabilao


  • Talata 19 Oktobra 2010

Saika manerana ny faritra Vakinankaratra mihitsy no mihitsoka tanteraka ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana ho avy io.

Raha i Betafo manokana dia mbola mangina tanteraka sy tsy mbola nisy mihitsy ny fampielezan-kevitra hatramin’ny nanoratana ity lahatsoratra ity ary raha ny resaka nifanaovana tamin’ireo mponina tonga miakatra ny renivohitry ny Distrika dia tsy misy mahalala izany resaka fifidianana izany ny mponina. Manaporofo izany ny tsy fisian’ny afisy eo amin’ireny tabilao natokana ho azy ireny. Mba mametaka ihany ny sasany amin’ny alina fa tsy tratry ny andro maraina dia efa misy koa ny manendaka. Anisan’ny nanaitra ny maro moa ny lahateny nataon’ny lehiben’ny Distrika tamina hetsika fankalazana ny andron’ny fanasana tanana amin’ny savony izay natao tao Betafo fa dia tsy nisalasala mihitsy ity tomponandraikim-panjakana ity manafatra sy nanentana ireo mpianatra mba hampatsiahy ireo ray aman-dreniny sy hitaona azy ireo mba ho tonga hifidy ny 17 novambra ho avy izao. Tsy asian’ireo mponina lanja mihitsy mantsy ity fifidianana kasain’ny FAT hatao ity any an-toerana. Na ny mpanohana ny ENY moa na ny TSIA dia samy tsy mbola nisy nipoitra tany Betafo avokoa hatreto. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT