Politique

Berija Ravelomanantsoa Izay misy vola ihany no akama !


  • Alakamisy 23 Febroary 2017

Nivahiny tamina onjam-peo tsy miankina iray i Berija Ravelomanantsoa omaly.

 Nisongadina tamin’ny resany ny fiarovana ny filoha ankehitriny sy ny fanjakana HVM manontolo. Tsy anarana vaovao amin’ny rehetra i Berija, indrindra fa ny mpianatra eny anivon’ny anjerimanontolo. Tsy nisalasala izy nilaza fa firenena nahantra tao anatin’ny 50 taona no noraisin’ny filoha, ka sarotra ny hanarenana azy. Fatra-panenjika izao fitondrana izao ny tenany teo aloha. Anisan’izany ny zava-nisy taorian’ny fahalanian’i Hery Rajaonarimampianina satria voalaza fa efa nanao teny maharary tamin’ny filoha ny tenany noho ny fahadisoam-panantenana vokatry ny tsy fahazoana seza mba ho tambiny tamin’ny fanohanana azy. Efa nizaka ny fanambaniany ihany koa i Kolo Roger, fony ity farany nitsidika teny amin’ny oniversiten’Antananarivo, ary mbola nitazona ny toeran’ny praiminisitra tamin’izany. Ny ekipan’i Andry Rajoelina no voalaza fa nampaniraka azy hanao ireny fihetsika isan-karazany ireny ary namatsy ara-bola azy. Raha ny fanadihadiana natao ihany koa dia olona tena akaiky ny kolonely Lylison ny tenany, ka ity manamboninahitra ity no tena mpiaro azy fatratra azy taloha. Nogadrain’ny HVM teny Tsiafahy ny tenany, saingy nikipiany ny zava-nisy tany aloha. Tsy nitosaka kosa angamba ny vola ka naleon-dry Berija sy ry Jean Pierre nandeha nisolelaka tany amin’ny HVM. Izay misy vola ihany no akama e !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT