Taorian’ny fandalovan’ireo iraky ny SADC teto Antananarivo sy ny fihaonan’izy ireo tamin’ny ankolafy politika maro samihafa, na ny avy eo amin’ny fitondrana io na ny avy amin’ny mpanohitra dia mitohy hatrany ireo fanehoan-kevitra ny amin’ny mety ho tohin’ny raharaham-pirenena sy ny famahana ny krizy. Ho an’i Benjamina Ramanantsoa, filohan’ny vaomieran’ny fifandraisana amin’ny any ivelany ao amin’ny FAT dia tokony hanambara mazava ny SADC hoe : manohana ny hetsika sy ny asa ataon’ny Raiamandreny Mijoro sy ny Vondron’ny fiarahamonim-pirenena ve izy ireo sa mitsipaka izany ? Raha manaiky ny SADC, araka ny filazany dia tokony hanampy sy hanohana izany asa izany, raha mandà kosa izy dia tokony hisintaka sy mijery fotsiny ety ivelany fa tsy miditra intsony amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara. Ho an’ity mpikambana ao amin’ny FAT ity, izay itovizany hevitra amin’ireo namany rehetra, dia efa misy ny rafitra napetraka hikarakara ny fikaonandoham-paritra sy ny fikaonandoham-pirenena, ary hikarakara ny fifidianana, ka tsy misy lalana hafa mbola tokony hokarohana indray fa efa ampy ireo. Izay manaraka dia manaraka, izay tsy mazoto kosa dia mijanona fa tsy manakorontana intsony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.