Politique

Ben’ny tanŕnan’i Toamasina Nihena ho 300 tapitrisa ariary indray no hanenjehana azy


  • Alakamisy 17 Jona 2010

Tonga tao amin’ny kaompanian’ny zandarimariam-pirenena Toamasina ny Ben’ny tanŕnan’i Toamasina, Dr Rakotomanana Gervais sy ny mpisolovava azy, Me Safara Fidelys, omaly alarobia 16 jona maraina, namaly amin’izay ny fiantsoana azy vokatry ny fanodinkodinam-bola nataony teo anivon’ny kaominin’i Toamasina I».

Nanambara ny Ben’ny tanàna sy ny mpiaro azy fa «vonona izahay hamoaka ny marina araka ny fampiantsoana natao momba ilay fanodinkodinam-bolam-bahoaka anenjehana anay ; ary tsy nitsoaka na nandositra izany izahay fa niezaka ny nanazava ny zava-nisy marina nahatonga ny raharaha nipoitra sy nanakoako tahaka izao».

Tsy naharitra ela fa dimy minitra ihany dia nivoaka izy ireo. Tamin’izay no nahalalana fa tsy 400 tapitrisa ariary araka ny nambaran’ilay enspekteran’ny ministeran’ny fanajariana ny tany tamin’ny fahitalavitra sy ny haino aman-jerim-panjakana ny zavatra voasoratra tao anaty taratasy fitoriana sy fampiantsoana arahina fanadihadiana sy fisamborana navoakan’ny lehiben’ny Fampanoavana ny 03 jona lasa teo, fa 300 tapitrisa ariary indray ilay vola voalaza fa nahodina teo anivon’ny kaominina. Tsy nisy koa ny tahirin-kevitra na tatitra milaza mazava ny mikasika ilay fanodinkodinam-bola nataon’ny Dr Rakotomanana Gervais, na avy amin’ilay enspektera, Tolojanahary Maharavo fantatra amin’ilay solon’anarana hoe Doudou, na avy amin’ny ministera mpaniraka. Ny hany mipetraka miaraka amin’ilay fitoriana sy mampisambotra ny Ben’ny tanànan’i Toamasina avy amin’ny Fitsarana, dia «ordre de mission»-n’ilay enspektera.
 
Lasa lavitra ihany koa ny raharaha, satria toa miendrika politika izy ity. Raha ny zandary no vonona nihazona ny raharaha teo am-boalohany, dia tsy nanomboka ny fanadihadiana raha tsy tonga ny polisy mpanao famotorana avy amin’ny Commissariat Central. Naharitra ora telo sy sasany ny fakana am-bavany rehefa nanomboka tamin’ny mitatao vovonana teo. Tsy nisy nipika ny dinika natao nandritra izany, ny Ben’ny tanàna Dr Rakotomanana Gervais raha nanontaniana dia nilaza fa «tsy mbola misy azoko ambara fa mbola mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary sy polisy». Ny mpisolovava azy ihany koa nanambara fa “mandeha ny fanadihadiana ka ho hita eo ny tohiny, afaka mody aloha ny olona arovanay dia efa zava-dehibe izay amin’izay ho tohin’ny raharaha». Ny zandary nitarika ny fanadihadiana kosa raha nanontanian’ny mpanao gazety dia tsotra ny nambaran’izy ireo fa “tsy afaka manome vaovao anareo izahay fa tsy nahazo baiko avy amin’ny lehibenay. Efa lalàna napetraka ato aminay izany ka tsy azo dikaina». Ny loharanom-baovao hafa anefa no nahalalana fa “nanda hatramin’ny farany ny fiampangana azy ny Ben’ny tanàna. Manana porofo mikasika ireo fanenjehana azy ny tenany ary efa nahazo izany avokoa ny ambaratongam-pahefana misy ankehitriny».
Tantara mbola mitohy izany ity raharaha ity, mbola ho hisy araka ny vaovao fantatra ny fakana am-bavany ireo mpiara-miasa amin’ny Ben’ny tanàna sy ireo mpanolotsainan’ny kaominina momba izao raharaha izao. Miankina amin’ny fandehanan’ny fanadihadiana ihany koa ny hitondrana ny raharaha eny amin’ny Fitsarana, izay tsy mbola voafaritra mazava aloha hatreto.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT