Politique

Ben’ny tanŕnan’i Morondava Nasaina nametra-pialana, dia ahoana ?


  • Talata 21 Septambra 2010

Nasaina nametra-pialana ingahy Fanoina Solo André, Ben’ny tanŕnan’i Morondava, renivohitry ny Faritra Menabe. Tsy niandry ela fa ny tolakandron’ny zoma 17 septambra lasa teo ihany dia efa notanterahiny izany.

Raha ny zava-nisy dia tonga nanao fisafoana sy nanadihady ny fitantanana teo anivon’ity Kaominina ity ny mpanadihady asam-panjakana avy aty Antananarivo, nanomboka ny zoma 10 septambra. Voakasika manokana amin’izany ny lafiny ara-bola, izay nahitana lesoka betsaka ; toy izany koa ny fanomezan-dalana toy ny fanorenan-trano nefa tsy hita taratra ao amin’ny fidiram-bolan’ny Kaominina. Am-bolana maro no nisedra olana ity Kaominina ity. Matetika ny mpiasa tao no mitokona fa tsy nandray karama, nihandrona efa ho herintaona mahery. Nisy fiantraikany tamin’ny fampandehanan-draharahan’ny Kaominina io toe-javatra io. Misy vola miditra ihany anefa, raha tsy hiteny afa-tsy ny azo avy amin’ny haban-tsena fotsiny, saingy tsy nahavaha olana izany. Ben’ny tanàna voafidy avy amin’ny listra tsy miankina i Fanoina Solo André. Izy no isan’ny nitarika ny fikomiana tao Morondava rehefa nihetsika ny TGV.

Fanontaniana mipetraka amin’ny maro àry raha nandre fa nasaina nametra-pialana izy dia ny hoe : raha voaporofo fa nisy fanodinkodinana volam-bahoaka tao, hijanona ka hampanginina amin’io fametraham-pialana io ve ny raharaha, satria izy olon’ny antokon’ny mpitondra sa hitohy eny amin’ny Fitsarana ? Tsy afa-maina tamin’ny endri-javatra toy izany mantsy ny Ben’ny tanànan’i Moramanga : fonja avy hatrany ! Nankalazaina tamin’ny haino aman-jery koa ny tao Toamasina fa misy vola tsy mazava, 400 tapitrisa teo ampiaingana sy nihena 300 tapitrisa avy eo, nanamorana ny fanesorana an-dRakotomanana Gervais. Nitsongolohana koa ny tao Manakara, mba hanilihana an’i Andriano Gsicard, Ben’ny tanàna. Ary ny ao Antsirabe izay itadiavana hirika mafy amin’izao fotoana izao, hanalana an’i Olga Ramalason, Ben’ny tanàna. Manara-maso akaiky io tranga ao Morondava io ny maro. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT