Izay vao tena misara-bazana tanteraka ireo Ben'ny tanŕna ao anivon’ny faritra Analamanga. Andaniny ireo mitovy hevitra amin’ny filohan’ny AMRA (Association des Maires de la Région Analamanga) amin’ny fanatontosana ny Fihaonamben’ny Ben’ny tanŕna manomboka ny 13 oktobra izao ary ankilany ireo manohana ny didy hitsivolana 2010- 009 izay mamaritra fa mametra-pialana ireo izay mbola hirotsaka hofidiana amin’ny 20 desambra rehefa eken’ny vaomiera ny filatsahan-kofidiany.
Ifamalian’ny roa tonta ny serasera hatramin’ny zoma teo fa omaly kosa vao tena potsitra ny vay. Nampiantso fivoriambe tetsy Andrefan’Ambohijanahary ireo filoha lefitry ny AMRA ka Ben’ny tanàna miisa 43 sy lefitra 4 no niatrika izany. Nanapa-kevitra ireo mpitarika ny fivoriana fa ravaina ny AMRA noho ny fandraisana fanapahan-kevitra nataon’olon-tokana izay tsy nifampierana tamin’ny birao na koa tamin’ny fivoriambe. «Maha voatonontonona sy voahoso-potaka ny AMRA amin’ny resaka politika ny fanapahan-kevitra noraisin’ny filoha» araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanànan’i Bemasoandro Itaosy, Rabefakatro. Nanamafy izay voalazany koa ny fanambarana nosoniavin’ireo filoha lefitry ny AMRA, «hita mibaribary fa misy tsy maty voalavo an-kibo ka na inona lazaina entina handresena lahatra dia tsorina fa mifono endrika politika izany manoloana izao toe-draharaha izao». Notsindrian’izy ireo tamin’ilay fanambarana koa fa «tsy tompon’andraikitra amin’izay fivoriana kasaina hotontosaina ny 13-14 ary ny 15 oktobra izao ny AMRA satria tsy afaka mitonona ho filohan’ny AMRA intsony ny mpitarika ilay fivoriana».
Rehefa natao ny tsangan-tanana dia lanieran’ny maro an’isa ny fandravana ny fikambanana ka birao mpiara-mitantana vonjimaika no misolo azy. Solontena iray isaky ny distrika kosa no mandrafitra ny birao. Tsy niandry ela ny valin-kafatry ny Ben’ny tanànan’Ankaraobato sady filohan’ny AMRA, Ralaiseheno Guy Maxime manoloana ireo fanenjehana azy. Momba ilay fihaonamben’ny tanàna dia nambarany fa amin’ny anaran’ny Komity mpanomana no andraisany andraikitra fa tsy amin’ny maha filohan’ity fikambanana ity azy. Nohamafisiny fa tsy maintsy tanteraka io fihaonana io. “Ny 60%-n’ireo Ben’ny tanàna manerana ny Nosy no nanambara ny fahatongavany ary maro ireo efa nanainga androany (omaly). Ankoatra izay dia efa nampahafantarina ny fivoriana ny distrika sy ny borigadin’ny zandary Atsimondrano”. Momba ny fandravana ny AMRA indray dia tsy ara-dalàna ny fomba nanatanterahana azy ka noho izany dia tsy manankery izay tapaka. “Misy sata mifehy azy ny AMRA fa tsy ataotao fotsiny amin’izao. Tsy nahatratra ny fetr’isa takian’ny lalàna akory izy ireo”, hoy Ralaiseheno Guy Maxime. Ny 2/3-n’ny Ben’ny tanàna izay miisa 134 izany, hoe mila 67 farafahakeliny mantsy vao manankery ny hevitra tinapaka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.