Politique

Ben'ny tanàna nivory tetsy amin'ny Colbert Mangataka fihaonana amin'ny filohampirenena


  • Zoma 07 Aprily 2017

Araka ny efa nampahafantarin’ny filohan’ny fikambanan’ireo ben’ny tanàna an-tanàn-dehibe, Lalao Ravalomanana, dia notontosaina omaly tetsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina ny fihaonana tamin’ireo ben’ny tanàna mpikambana

. Fototry ny lahadinika ny fikarohana izay ahafahana miala amin’ny fanapotehana ny tanàn-dehibe eto amin’ny firenena. Tsapan’ireo ben’ny tanàna nivory fa fototry ny tsy fahombiazana rehetra tsy mampandeha ny fampandrosoana ny faminganan’ireo tsy lany ho ben’ny tanàna ka lasa mpanolotsaina eo anivon’ny kaominina tsy nahalany azy. Mangataka, noho izany, ireto ben’ny tanàna ireto ny mba hanovana io lalàna mamotika fampandrosoana io ary dia mangataka fihaonana amin’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra ihany koa izy ireo mba handinihana izay fanatsarana hafa azo atao.

Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT