Vita iny ny fihaonambem-pirenena nasain’ny FAT nokarakarain’ny Raiamandreny Mijoro, nentina hanamafisana ny fijanonany ela eo amin’ny fitondrana. Maro amin’ny zava-tinapaky ny mpizaika tao no manokatra adihevitra fa ny singanina dia ny amin’ny fitantanana ny tetezamita.
Nanapa-kevitra na nasaina nanapa-kevitra mantsy ny mpizaika fa dia hosoloina avokoa ny lehiben’ny Faritra ka hatao administratera sivily ary delegasiona manokana no hasolo ny Ben’ny tanàna hitantana ny Kaominina, hametrahana ireo TGV tsy mbola nahazo toerana. Asa moa na hiroso hanatanteraka izany ny FAT fa raha ny zava-misy dia vao nitranga io resaka io, efa miakatra sahady ny feo avy eny anivon’ny Kaominina maro manerana ny Nosy eny milaza fa dia hisavoritaka eto raha ny Ben’ny tanànan’izy ireo no halana amin’ny toerany. Izay eo ihany fa ny zava-doza dia vokatr’iny fanonganam-panjakana notarihan’i Andry Rajoelina sy ny miaramila mpikomy ny taona 2009 iny dia voasazy i Madagasikara sy ny mpitondra ao aminy.
Mihantona isika ao amin’ireo vondrona iraisam-pirenena maro maha mpikambana antsika : SADC, Vondrona Afrikanina, Vondron’ny Tany mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny Frantsay na Frankôfônia. Mihantona koa ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombona antoka ara-bola amin’i Madagasikara ary dia tapaka nanaraka izay ny famatsiam-bola, efa ho roa taona izao. Fanampiana fitazoman’aina sisa no misy, «Aide humanitaire», hoy ny fiteny mahazatra. Rehefa miresaka an’io «aide humanitaire» io indray anefa dia tsy kaonty ny fanjakana fa amin’ny ankapobeny dia ankinina mivantana amin’ireny fikambanana tsy miankina na ONG iraisam-pirenena ireny ny fitantanana ilay fanampiana, ary miantefa avy hatrany eny anivon’ny Kaominina. Ankoatra ny sakafo, dia misy asa atakalo vola. Endrika isehoan’izany ny fanadiovana lakandrano, hanaovana tohodrano madinidinika, hampidirana rano fisotro madio…
Taloha raha ny Kaominina no «maître d’ouvrage» na ny tompon’asa mifampiraharaha amin’ny mpamatsy ny vola, dia niova izany rehefa nisy ity fanonganam-panjakana ity. Ankehitriny dia ilay Ben’ny tanàna tompon-toerana mihitsy no antoka ho an’ireo mpamatsy vola. Misoratra amin’ny anaran’ireny Ben’ny tanàna ireny ny taratasim-bola avy amin’ny mpamatsy ny vola. Koa raha hiroso hanova ho PDS ny Ben’ny tanàna ny FAT dia ho zava-doza no haterany, satria dia ho tapaka tanteraka hatramin’ny fanampiana hany kely sisa mandeha. Tsy hanan-kery eo anatrehan’ny mpamatsy vola mantsy izay sonian’ny PDS voatendry eo miohatra amin’ny an’ny Ben’ny tanàna efa nifaneken’izy ireo. Nentin-kafanam-po ny mpizaika teny Ivato nandray iny fanapahan-kevitra iny. Mandrora mitsilany ihany anefa izy ireo, raha tsy hoe finiavana te hanao kenda roroka ny Vahoaka malagasy mihitsy. Resaka hafa indray ny amin’izay !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.