Feno tanteraka ny fahefana eo am-pelatanan’i Dr Jean Louis Robinson amin’ny maha ben’ny tanŕnan’Ampasikely Ambatondrazaka azy.
Voapetraka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma lasa teo ny tenany ka ny Lehiben’ny ditrikan’Amparafaravola Raherinjanahary Andriamparany no solontenam-panjakana mahefa tonga niatrika ny lanonana sy nametaka ny samboady maha ben’ny tanàna mahefa azy any an-toerana. Tsy nanadino an’ingahy Jean Louis Robinson tamin’ity lanonam-pametrahana azy ofisialy sy ara-panjakana ity ny jeneraly Camille Vital izay iray vondrona politika aminy ao amin’ny ARMADA. Eo amin’ny paikady entina mitantana sy mampandroso ny kaominina dia nanambara ny tenany fa efa vonona ny paikady amin’izany ka nambarany fa betsaka ireo mpiara-miombon'antoka vahiny hiara-kiasa amin'ny fiadidiana ny kaominina Ampasikely.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.