Tonga nitaraina tamin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Honoré Rakotomanana tetsy amin’ny Lapan’Anosikely omaly talata 13 septambra 2016,
ny delegasiona Ben’ny tanàna avy amin’ny Distrikan’Ambatolampy notarihan’ny Ben’ny tanànan’Ambatolampy Ranaivoarison Félix. Nilaza ireto olomboafidy ireo fa hatramin’izao dia tsy nahazo vola fanampiana avy amin’ny Fanjakana ny kaominina tantanan’izy ireo. Miavosa anefa ny trosa anivon’ireo kaominina ateraky ny tsy fahampiana ara-bola ka zary sakana amin’ny fampandrosoana. Nilaza Atoa Honoré Rakotomanana fa amin’ny maha mpiahy mivantana ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ny Antenimierandoholona no antony nanatonan’ireto Ben’ny tanàna ireto mivantana ity Andrimpanjakana ity. Hisy ny fidinana ifotony hataony any an-toerana hijerena ny olana sy ny vahaolana mba hitondra fampandrosoana amin’ny kaominina sy ny Distrika. Ambatolampy izay toerana manana fotodrafitrasa fampandrosoana sy vavahady mampihaona ny Faritra Analamanga amin’ny Faritra Vakinankaratra.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.