Politique

Ben’ny tanŕna ao Vakinankaratra Nentina nialokaloka tany Foulpointe


  • Alatsinainy 11 Oktobra 2010

Hagagana ny an’ny mpitsangatsangana tao Mahavelona Foulpointe nahita ireto Ben’ny tanŕnan’i Vakinankaratra tonga nirohotra tany an-toerana ny faramparan’ny herinandro teo.

Saika olona avy any amin’iny faritra iny sy ny manodidina an’Antananarivo avokoa ireo mpiala sasatra ireo, ary nahalala tsara fa misy ny hetsika lehibe nataon’ny Tiako I Madagasikara tao Antsirabe ny sabotsy teo. Ny fitsidihana ny tanànan’i Fenoarivo Atsinanana sy ny fihaonana tokana nifanaovan’izy ireo sy ny Ben’ny tanàna tao amin’ny faritra Atsinanana ary ireo namany Ben’ny tanàna tao Analanjirofo, tamin’ny ministry ny fanajariana ny tany sy fanapariaham-pahefana tao amin’ny “Manda Beach hotel”, no lazaina fa anton-dian’ireto Ben’ny tanànan’i vakinakaratra niala lavitra ny tanànany izao, araka ny fanazavana nataon’ny lehiben’ny faritra any an-toerana.

Raha ny marina anefa, raha tafaresaka tamina Ben’ny tanàna vitsivitsy ny mpanao gazety dia nanambara mazava izy ireo fa tampoka ny dian’izy ireo ho any Toamasina sy Mahavelona Foulpointe ary Fenoarivo Atsinanana izao. “Baiko midina tsy hahafahanay hiatrika ny fanasan’ny Ben’ny tanàna Tiako I Madagasikara, amin’ny maha samy Ben’ny tanàna tao Vakinankaratra no nitondrana anay aty izao, nefa moa tsy maninona satria sady vita ny vakansy, no vita ny fitsidiham-paritra natao, ny tena koa nahazo tambinkarama kely ho entina mody”. Tsy nilaozan’izay Ben’ny tanàna mahay miresaka koa anefa ny lanonana tao Mahavelona Foulpointe ny sabotsy teo ka nilazany fa “adin’ny kanosa ny zava-misy ataon’ireo Ben’ny tanàna namana miresaka an-gazety sy radio ary fahitalavitra ankehitriny ireo. Raha sahy ireny Ben’ny tanàna ireny dia tokony hiatrika ny safidin’ny vahoaka mila fanovana, dia ho hita eo izay Ben’ny tanàna tian’ny vahoaka hitondra fanovana sy fampandrosoana ao aminy”. Samy namonjy fodiana ny rehetra taorian’izao fitsangantsanganana tampoka natao izao, izay ny faritra Vakinakaratra no niantoka ny lany rehetra tamin’ity fihaonana tsy fantatra marina ity.

 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT