Politique

Ben’ny tanàna amin’ny tanàn-dehibe Tsy hikoso-maso amin’ny HVM ?


  • Talata 04 Aprily 2017

Tsy tokony horaisin’ny fanjakana fahavalo ireo ben’ny tanàna tsy mitovy firehana amin’ny antokon’ny fitondrana, hoy ny ben’ny tanànan’Antsiranana Dajavojozara Jean Luc Désiré

, avy amin’ny antoko MAPAR, izay efa niharan’ny fampiatoana tamin’ny volana mey 2016. Saika ireo ben’ny tanàna avy amin’ny tanàn-dehibe eto amin’ny firenena no iharan’ny antsojay sy toa hozongozonina amin’ny toerany amin’izao fotoana izao, toy ny any Mahajanga, Toamasina ary ny eto Antananarivo sy ny maro hafa. Ny ankabeazan’ireo tanàn-dehibe eto amin’ny firenena dia olona tsy avy amin’ny antoko HVM, kanefa anisan’ny fanalahidy amin’ny fifidianana ireny tanàn-dehibe ireny, ka izay no voalaza fa antony hanozongozonana sy hikendrena ny hanoloana azy ireny ho olon’ny fitondrana. Manoloana ny antsojay isan-karazany, dia milaza ny hivondrona sy hihaona eto Antananarivo ireo ben’ny tanàna avy amina tanàn-dehibe maro eto amin’ny firenena rahampitso alarobia handinika izay tokony hatao. Midika io fa mety hisy ny fampitoviana tadin-dokanga hoenti-manohitra ny antsojay, ka hijoro sy tsy hanaiky lembenana intsony ireo ben’ny tanàna. Olana iray eo amin’ny fitantanana ny kaominina ihany koa ny tsy maintsy hanomezana toerana ho mpanolotsaina ireo tsy lany tamin’ny fifidianana, izay matetika tsy mahay miara-miasa amin’ny ben’ny tanàna lanim-bahoaka. Lasa mpamingana no anton-draharahan’izy ireny, toy izay miseho eto Antananarivo. Mila jerena sy dinihina akaiky ny lalàna mikasika izany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT