Politique

Bemarenina ny fanjakana Hiverina ny Magro ?


  • Talata 14 Martsa 2017

Efa tena nandefitra i Marc Ravalomanana raha ny zavatra niainany sy nampizakaina azy teto Madagasikara no dinihina. Naongana teo amin’ny fitondrana ka voatery nanao sesitany ny tenany tany ivelany.

Taorian’ny naha sesitany azy 7 taona dia nogadraina sy nanaovana antsojay isan-karazany indray izy rehefa tonga teto an-tanindrazana. Ny fahapotehan’ny fananany tsy misy resaka fa mbola tadiavina ny hevitra rehetra hanagiazana ny fananany sisa tavela toy ny Tiko any Andranomanelatra sy ny tany misy ny Magro Toamasina, ny tany eny Andohatapenaka… Manaja hatrany ny fanjakana i Marc Ravalomanana, manaja ny lalàna, fa ilay fanapenam-bava kosa efa tena mihoatra ny mety. Miezaka miresaka sy mangataka am-pahatsorana amin’ny fanjakana ny hanokafana ny haino aman-jery  MBS (Malagasy Broadcasting System) izy saingy minia tsy te hahalala ny mpitondra fa manao bemarenina hatrany, izay endrika iray hanaporofoana fa tapenam-bava sy sakanana mafy tsy hanapariaka ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny tenany. Ny fanokafana io orinasan-tserasera io no mba hany hahafahan’i Marc Ravalomanana sy mpiara-dia aminy mifanerasera. Rehefa tsy manana haino aman-jery hanaovany ny serasera amin’ny mpomba azy izy dia mazava ho azy izany fa mety hifanerasera mivantana amin’ny vahoaka eny an-kianja indray ary eny mifampita vaovao. Efa nilaza ny ho firotsahany hofidiana filoham-pirenena i Marc Ravalomanana sy ny mpanao politika sasany saingy ny maro manana vahana sy tombondahiny amin’ny resaka orinasan-tserasera fa izy kosa hanaovana antsojay. Manana tombo-dahiny hatrany i Hery Rajaonarimampianina amin’ny famelana an-kalalahana ireo haino aman-jery tsy miankina maro mpanohana ny fitondrana HVM, izay vao haingana avokoa no niforonan’ny ankamaroany. I Andry Rajoelina manana ny orinasan-tseraserany, i Edgard Razafindravahy manana ny azy manokana, Hajo Andrianainarivelo manana… Eny amin’ny Magro izany i Marc Ravalomanana no mety hifamotoana amin’ny mpanohana azy atsy ho atsy rehefa minia manampi-tsofina sy te hanampim-bava azy ny fanjakana.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT