Politique

Bary Rafatrolaza “Tsy mbola mety amintsika ny federalisma”


  • Zoma 17 Septambra 2010

Ho an-dRafatrolaza Bary Emmanuel, diplaomaty malagasy teo aloha niasa tatsy Afrika Atsimo ary anisan’ireo mpiara-dia amin-dRaharinaivo mandray anjara amin’ny fihaonambem-pirenena dia mbola ny fanjakana tokana ihany aloha no mety amin’i Madagasikara sy mifanaraka amin’ny toe-tsain’ny Malagasy.

Mety hampifandrafy sy hampiady antsika izany fanjakana federaly izany, hoy izy satria tena hafa mihitsy ny fandraisan’ny olona azy io, hany ka misy no mieritreritra fa tompon’izay zava-drehetra ao amin’ny faritany misy azy izy (vokatra, harena ankibon’ny tany), ka tsy afaka maka amin’io ny avy any amin’ny faritany hafa. Takiana kosa anefa hoy izy, ny fitsinjaram-pahefana tena izy, na ara-bola io, na ara-pitaovana na arak’olona. Aminy mantsy dia mbola nisy ihany ny fivangongoan’ny fahefana tamin’ny fitondrana farany nisy teto ary tsy mbola tanteraka araka ny tokony ho izy ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana isam-paritra.

Ho an-dRafatrolaza Bary dia an-tanatohatra telo no mety amin’ny rafitry ny fitsinjaram-pahefana tokony hapetraka eto Madagasikara dia ny faritra, ny kaominina ary ny fokontany. Ireo no akaiky kokoa ny vahoaka sy ny kolontsaina araka ny fahitany azy ary mora ampiasaina amin’ny resaka asa fampandrosoana. Momba ny fahafahana milatsaka ho kandida filoham-pirenena kosa, dia nambarany fa tsy tokony hoferana ny taona, satria zavatra efa nandalovana ny amin’izany, hoy izy. Ho azy manokana mantsy dia teo amin’ny faha-31 taonany izy no voafidy solombavambahoaka tamin’ny 1992, ary niarahan’ny rehetra nahita, araka ny filazany fa mba nety ihany ny fiantsorohana ny asa aman’andraikitra. Tsy tokony hisy olana mihitsy araka ny filazany raha 35 ohatra dia efa afaka milatsaka hofidiana filohan’ny Repoblika. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT