Politique

Baozandrivelo André „Mitsoaka an-daharana ny mpanomana ny Dinika santatra“


  • Zoma 23 Jolay 2010

Misafotofoto be ihany ny mpikarakara ny dinika santatra izay heverina hatao manerana ny distrika manomboka amin’ny herinandro ho avy io. Manezaka mafy ny Raiamandreny Mijoro sy ny «Coalition des organisations de la société civile» amin’ny hanatanterahana azy amin’ity indray mitoraka ity satria efa in-droa nihemotra ny daty nofaritana momba azy ity, raha tokony efa vita talohan’ny fetim-pirenena.

Farany izao indray dia efatra andro, manomboka ny 28 jolay, no heverina haharetan’ny dinika satantra. Raha ny ako sy feo re avy eny anivon’ny Distrika eny anefa dia nahena ho roa andro indray ny faharetany. Tsy nambara mazava ny anton’ny nampihenana ny andro hivoriana, fa ny resaka mandeha dia olana ara-bola. Raha ny tatitra azon’i Baozandrivelo André, depiote TIM voafidy tany Vondrozo, ary nambarany tao amin’ny Magro Behoririka omaly izao dia tsy hanatrika ny dinika santatra ny any aminy (Vondrozo). «Vola enina alina isan’olona no nampanantenaina ny mpitarika ny zaika, ho sakafo sy fampiantranoana teo amboalohany nefa dia nihena ho roa alina ariary indray izany ankehitriny, ka nihemotra izy ireo. Betsaka no mitsoaka an-daharana», hoy izy.

Tsy any ifotony ihany fa ireo nofanina hanomana sy handrindra ny Dinika santatra ary nirahina avy aty an-drenivohitra ihany koa dia re izao fa betsaka no tezitra ka milaza ny tsy handeha satria dia vola iray hetsy ariary isam-batan’olona no hany vatsin-dalan’izy ireo, hiantohana sakafo sy saran-dalana ary saram-piatranoana, izay heverin’izy ireo fa tsy ho ampy velively. Etsy andanin’izany dia anio vao hatao ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny fiaraha-miasan’ny Raiamandreny Mijoro sy ny «Coalition des organisations de la société civile» miaraka amin’ny KMF/CNOE sy ny «Alliance» hiara-hanomana ny fihaonana samihafa. Ny lojikan’izay dia hiara-mamaritra ny tetiandro vaovao hanatanterahana izany dinika santatra izany, raha tsy mbola hiandry ireo fiarahaminona sivily hafa aza, fa tsy hanatanteraka izay nofaritan’ny Raiamandreny Mijoro sy ny «Coalition» samirery tany. Ny ankolafy teo moa dia nanamafy fa tsy handray anjara raha ny fanomanana amin’izao endriny izao no hitondrana azy. Koa eo anatrehan’izany no mahatonga ny maro hilaza ankehitriny fa tsy mbola ho vanona indray io dinika santatra isisihana hatao amin’ny 28 jolay io.
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT