Roa volana katroka anio 26 aogositra, izao no nitrangan’ilay asa fampihorohoroana nahafatesana olona telo sy naharatrana olona valopolo mahery, nandritry ny takarivan’ny andro nankalazana ny faha-56 taona nitsingerenan’ny fahaleovantena tetsy Mahamasina.
Hatramin’izao, tsy mbola niova ny vaovao momba iny heloka bevava iny. Mangina daholo ny rehetra. Dia ho very an-javony toy ny raharaha Ratsimandrava koa ve ? Efa nampaneno lakolosy toy izao ihany koa ny ankamaroan’ireo mpanara-baovao, iray volana lasa izay, ary dia nampianatra fa toy izao sy toy izao ny fepetra noraisin’ireo firenen-dehibe taorian’ny fisiana asa fampihorohoroana tany amin’ny taniny. Nolazaina teto koa fa vetivety ihany dia nahitam-bokany ny fanadihadian’izy ireo noho ny fisiana rindran-damina maty paika eo anivon’ny mpitandro ny filaminany mba hahafahana mikaroka sy misambotra ireo mpampihorohoro. Ary ny eto amintsika, mba aiza sy mby aiza ? Antenaina fa tsy ho fampatsiahivana intsony no hosoratana eto afaka iray volana fa mba ho vokatra kosa.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.