Politique

Baomba teny amin’ny A&C Ivato Sinema indray ?


  • Alarobia 02 Novambra 2016

Nihorohoro ny mponina teny Ivato omaly, tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany hariva nandre feon-javatra nipoaka mafy sady nankarenin-tsofina.


 Tao amin’ny faritra misy ny hotely A&C Ivato no nisehoany. Teo amin’ny « parking » vao namboarina hijanonan’ny fiaran’ireo manampahefana amin’ny ilany avaratry ny hotely no nisy ilay fipoahana. Nisy mpiasa nahatsikaritra afo nanaraka zavatra natsipy avy any ivelan’ny tambohon’ny hotely, ary nipoaka mafy rehefa nianjera teo amin’ny tara amin’ny « parking ». Nandavaka teo amin’ny « parking » mihitsy moa ilay fipoahana, ilazana fa mafy ny vaikany. Nisy mpiasa roalahy rahateo naratra nipitihan-javatra noho io fipoahana io, saingy tsy misy ahiana ny amin’izy ireo. Vetivety dia efa tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana, nanokatra fanadihadiana. Grenady sa baomba artizanaly sa irony « cocktail molotov » ilay zavatra nipoaka ? Inona no mety ho antony ? Hotely anisan’ny hampiantrano ny ampahany amin’ireo delegasiona handray anjara amin’ny fihaonambe faha-16 an’ny Frakôfônia ny A&C Ivato. Misy ifandraisany amin’io ve izao tranga miendrika asa fampihorohoroana izao sa anton-javatra hafa ? Ny vokatry ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana no hamantarana ny tohiny. Ny hany fantatra dia hoe : maimbo vanja ny faritra nisy fipoahana. Vokatr’io tranga io aloha dia nohamafisina ny fiambenana eny an-toerana, indrindra ny CCI Ivato izay handray ny fivoriana.

Somary nanaitra sy nahagaga ny maro ihany ity tranga ity satria anisan’ny toerana mihidy sy tena tsara ambina ity hotely goavam-be eny Ivato ity; fantatry ny rehetra tsara ihany koa fa olona akaiky ny filoham-pirenena ny tompony ary efa tena azo ambara hoe goavana amin’ny resaka fandaharahana sy ny fananam-bola eto amin’ny firenena amin’izao fotoana.Ka nahoana no tampoka eo dia misy fipoahana ?Sao sanatria iny indray no atao fitaovana hisamborana an-dRakoto na Rabe.Na koa sao dia efa paikady fanahy iniana atao mba tsy hisian’ny fivorian’ny Fankôfônia eto satria efa hita fa tsy ho zaka ilay izy ?

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT