Izay tsy manao trafika sy kolikoly eto no adala ? Izay tratra toa tafaporitsaka, mitsotsotra any ivelany any avokoa.
Tranga izay nitana ny sain’ny maro ny raharaha Bekasy Johnfrince tamin’ny 2015. Voarohirohy tamina trafika boaderôzy ity farany, niaraka tamina Sinoa iray sy Malagasy iray. Nosamborin’ny Bianco izy ary notazonina teny amin’ny “Villa la Piscine” nanaovana famotorana. Nahoraka fa tratra ny “trondro be”. Nampifanolana ny Bianco sy ny Chaine Pénale Anti-Corruption anefa ity raharaha ity, satria naverin’ny Chaine Pénale teny Ambohibao ny raharaha tamin’ny voalohany, jolay 2015, fa hoe tsy feno ny famotorana. Teo dia efa nampiahiahy ny tohiny. Fitazonana am-ponja vonjimaika teny Antanimora no didy savaranonando navoakan’ny Fampanoavana tao amin’ny Chaine Pénale rehefa nakarin’ny Bianco fanindroany teny ny raharaha ny volana septambra 2015. Tsidi-pahitra fotsiny anefa ny an’i Bekasy Johnfrince no teny Antanimora fa vetivety izy dia nahazo fahafahana vonjimaika. Tafavoaka any ivelan’i Madagasikara izy taorian’izay. Dia nangingina tsy nisy tohiny ny raharaha. Mpanolotsaina minisitra tao amin’ny governemanta Ravelonarivo izy, ary anisan’ny namatsy vola ny HVM tany SAVA tamin’ireny fifidianana samihafa tamin’ny 2015 ireny. Tany Nosy-Be indray dia nisy basy lava 18 niampy basy poleta 3 ary bala 64.501 isa nentina tamina kaontenera avy any Le Havre (Frantsa), saika hampidirina an-tsokosoko teto saingy saron’ny Ladoany ny 20 jona 2016. Efa fantatra fa vehivavy teratany frantsay Karine Audic Lafaye no tompon’ny entana, nefa dia tafaporitsaka tany koa ity farany, ary dia mangingina tsy nisy tohiny ny raharaha. Farany teo dia nanaitra ny nandrenesana fa efa fantatry ny zandarimaria ny tompon’antoka tamin’ny fanapoahana grenady nahafatesana olona telo teo Mahamasina ny harivan’ny 26 jona 2016, saingy tafaporitsaka any ivelany indray koa. Mbola voarohirohy tamin’ny fipoahana grenady teo Anosy ny harivan’ny 25 janoary 2014, nanaovan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina fianianana teo Mahamasina, ihany koa io tafatsoaka io. Amin’ny toe-draharaha efa manahirana toy izao, amin’izay indray heloka bevava no resaka eto, dia mampametra-panontaniana ihany ny mbola ahafahan’ny olona efa eo am-pelatanana toy izany hivoaka moramora fotsiny any ivelany any, raha tsy ao raha !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.