Politique

Bao lai Asa an-terivozona ho an’ireo Sinoa nifofo ny ainy


  • Alakamisy 14 Oktobra 2010


Omaly no niakatra tetsy amin’ny fitsarana anosy ilay raharaha izay mifandraika amin’ny fikasana hamono ilay sinoa tompon’ny Bao-Lai. Sazy an-terivozona valo taona, fito taona ary dimy taona no azon’izy efa-dahy izay tompon’andraikitra tamin’izany miampy onitra roa tapitrisa ariary. Raha tsiahivina dia tetsy Ampahibe, tao amin’ny toeram-pisakafoanana sinoa iray izay tsy ofisialy akory, no saika hanatontosan-dry zalahy an’ity heloka ity. Efa voatifitra hatramin’ny fiara mihitsy kinanjo tsy nisy olona akory tao anatiny. Nandeha ny fanadihadian’ny polisy ary samy niaiky izy efa-dahy fa tena nikasa ny hamono ilay Sinoa tokoa tamin’ny karama 200 tapitrisa ariary. Sinoa no saika novonoina, Sinoa ihany koa no saika hamono. Mazava ho azy fa resaky ny samy Sinoa izy ity ary Sinoa ihany koa ny tao ambadiky ny famonoana saingy tsy nitatra nankany aloha ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana. 

r.d/Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT