Politique

«BANI» sy FAT Mifampiandriandry


  • Zoma 19 Novambra 2010


Tsy dia nisy zavatra nisongadina be omaly manoloana ny raharaha BANI sy ny FAT. Teo ihany ny fanambarana nataon’ny ekipan’ny Kolonely Charles niantso ny tafika hiara-dia amin’izy ireo. Ny hany fantatra dia ny hoe tonga teny amin’ny BANI ny lehiben’ny Etamazaron’ny Tafika omaly maraina ary nisy ny fifampiresahana tamin’ireo manamboninahitra nilaza ny haka fanjakana. Tsy nisy nipika aloha hatreto izay resaka tao. Nandeha ny resaka fa hanao fanambarana ny Cemgam ny harivan’iny saingy hatramin’ny fotoana farany nanoratanay, tsy nisy izany. Nandeha koa ny feo fa mety hametra-pialana io tomponandraikitra io raha toa ka tsy hahita vahaolana momba ity olana ara-miaramila ity. Tranga izay tokony ho efa voafehiny satria raha hiverenana ny tantara dia niainga tamin’izao ihany koa ny nijoroan’ity fitondrana tetezamita ity. Raha atao bango tokana izany dia samy nangina ny roa tonta omaly. Tsy araka ny fihazakazahan’ny raharaha politika raha vao nivoaka ny fanambarana nataon’ireo manamboninahitra tetsy amin’ny BANI. 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT