Politique

Aza asiana famoretana ange e!


  • Alarobia 14 Aprily 2010


Maro tokoa ankehitriny ny fanakatsakanana atao etsy sy eroa ho an’ireo izay maniry ny hanao fanehoan-kevitra ka manohitra ny fitondrana. Vao omaly tokoa mantsy izao no feno miaramila indray teny amin’ny MAGRO Behoririka noho ny antony tsy fantatra, mandram-pahamoronana fika hanakatonana izany. Dia mipetraka ny fanontaniana hoe fihetsika tia tanindrazana ve izany tsy famelana ny hafa haneho hevitra izany ?
Ny zavatra mahavariana mantsy dia toa sakanana avokoa ny lalana rehetra ho an’ireto vahoaka maniry ny hiteny na hanohitra ireto. Izy ireo anefa tsy hoe mitondra basy, tahaka ny sasany tamin’ny taona 2009 (sary etsy ambany), na koa hoe nanimba na nandoro fananan’olona, na handeha hananika lapam-panjakana, fa dia efa mitsangana sy mijoro fotsiny haneho ny heviny. Tsara ny manamarika fa matoa nampiasaina ny miaramila tamin’ny taona 2009 dia satria tena nilain’ny vahoaka izany, nohon’ny fanimbana fananana nataon’ny « mahery fo », izay nananganana tsangam-bato mihintsy, tamin’izany fotoana izany.

Demokrasia
Ny tena mampalahelo ihany koa dia ity nanadradradraina tetsy sy teroa ny teny hoe « DEMOKRASIA » tamin’ireny fotoana nitoloman’ny sasany ireny. Dia maro no roboka sy nanaiky fa tena ilaina tokoa ny fahalalahana. Indrisy anefa ankehitriny fa na ny kianja natokana ho an’izany ary dia nohidiana, tsy azo nanaovana fanehoan-kevitra intsony. Dia aiza izany ny teny nomena ? sa natao handresena lahatra ny olona fotsiny ihany ireny fa rehefa avy eo adinoina ? Angamba tokony hovaina hoe « Kianjan’ny Jadona » ny eo ambohijatovo ankehitriny, mba hanamora ny fahazoan’ny olona azy.
Raha sendra manontany olona ianao amin’izao fotoana izao dia somary miolankolana ny tsirairay. Ny antony dia tsotra ihany. Matahotra ny ho voadoro na ho gadraina ny olona rehetra. Ao ihany koa ny matahotra ny ho voatifitry ny « lacrymogène » na ho voavelin’ireo mpiasam-bahoaka, dia ny tafika Malagasy izany. Lasa biby fampitahorana ho an’ny Malagasy rehetra ireo olona izay nokaramainy hiaro azy. Fa dia inona tokoa moa ny olana raha avela haneho hevitra ny olona e. Sao dia ho sirika be ve hoe tsy misy mpakato intsony ny fitondrana ankehitriny ? Tsy misy mitady korontana sanatria, fa mba fanajana fotsiny ihany ny zo fototra tsy maintsy ananan’ny tsirairay, dia ny fahalalahana ao an-taniny.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT