Politique

Avotra ho an’ny Firenena Tsy mazava ny lalan-kizorana !


  • Alarobia 20 Jolay 2011

Ho an’ny antoko Avotra ho an’ny Firenena dia tsy mazava mihitsy ny lalan-kizoran’i Madagasikara amin’izao fotoana.

 Tsy mazava ny politikam-pitantanana ary karazan’ny tapi-dalan-kaleha ihany ny FAT, izany hoe sady tsy afaka mandroso no tsy afaka mihemotra. Manolotra an’Atoa Laza Razafiarison ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ihany koa ity antoko ity izay milaza fa sady tsy manohitra ny fitondrana no tsy manohana ny mpanohitra fa milaza kosa izay zavatra rehetra tsy mety eto amin’ny tany sy ny fanjakana ary mandroso hevitra hanavotana ny firenena.

Ho an’ny Avotra ho an’ny Firenena dia fanovana tanteraka ny rafitra rehetra misy eto no tokony hatao fa tsy fanatsarana fotsiny. Mbola ity fanatsarana ity ihany anefa, araka ny fahitan’ity antoko ity azy, no ataon’ny FAT fa tsy ilay fanovana nitolomana teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Tsy dia ny olona no olana eto fa ny rafitra sy ny lalàna izay manome vahana ny mpitondra hanao izay tiany. Eo amin’ny resaka fifidianana dia mahita ny antoko Avotra ho an’ny Firenena fa hampidi-kizo antsika ary tena hiteraka ady an-trano eto ny hanatanterahana voalohany ny fifidianana solombavambahoaka. Azo antoka, hoy Atoa Laza Razafiarison fa ireo mpanao politika ao anatin’ny CT sy ny CST ireo ihany no ho kandida, koa raha vao voafidy izy ireo dia hiady ny tombontsoa manokany tahaka ny karama sy ilay zo fototra na "immunité" fa tsy tena hijery akaiky ny raharaham-pirenena. Mikasa ny hamory olona ny antoko Avotra ho an’ny Firenena, izay teknisianina no ankamaroan’ireo mpitarika azy, ny 15 aogositra ho avy izao mba hahafahan’izy ireo manazava amin’ny olom-pirenena rehetra ny hevitr’izy ireo amin’ny fanavotana ny firenena.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT