Politique

Avoko Rakotoarijaona Tsy mankasitraka fanakorontanana


  • Zoma 07 Aprily 2017

Manamafy hatrany ny Grand Maitre Avoko sy ny mpanao Kung-Fu tarihiny fa tsy mankasitraka ny mety ho fanakorontanana ny firenena indray fa manentana ny olom-pirenena rehetra kosa hanomana sy hiatrika ny fifidianana 2018,

 ary manohana ny ezaka ataon’ny fitondrana Rajaonarimampianina. Milaza ho afa-po amin’ny zava-bitan’ny fitondrana izy ireo. Tao anatin’ny 2 volana dia nanao fitetezam-paritra, ka nahitany fotodrafitrasa tsy tambo isaina (lalana, tohodrano, sekoly, tetezana,..) vitan’ny fitondrana, ka ambarany fa afa-po ireo mpanao Kung-Fu any amin’ny faritra toy ny any Vavatenina, Fenoarivo Atsinanana, Toamasina, Ambalavao … Nanamafy i Avoko fa mitohy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny Kung-Fu, ary nahitam-bokany noho ny fampiharana ny fiarovan-tena isan-tanàna na “Auto Défense Locale” (ADL). Matotra ny fiaraha-miasan’ny Kung-Fu sy ny filoham-pirenena, ka ity farany no nanasonia ny mari-boninahitra ho an’ireo Maitre Kung-Fu 21 nahavita be, izay sambany hatramin’ny nisian’ny Kung-Fu efa ho 37 taona lasa izay. Taorian’ny fitetezam-paritra nataon’i Maitre Avoko moa dia ny alahady 9 aprily izao no hiatrika ny fihaonambe fanao isaky ny 3 volana izy ireo eny amin’ny Foibe nasionalin’ny Kung-Fu Wiisa 67Ha, hotarihin’ny Filohan’ny Federasionina Malagasin’ny Kung-Fu Wisa Rakotoarisoa Victor.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT