Politique

AV 7 Mipasoka ny efa malama


  • Talata 21 Jona 2011

Efa lasa lamaody mihitsy ankehitriny ny famoahana fanambarana mitsipaka marindrano ny fiverenan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana.

 Mba namoaka ny azy ihany koa ny AV7 na fikambanan’ireo niharam-boina tamin’ny 7 febroary 2009 raha nisy ny diabe nataon’ireo mpomba an’i Andry Rajoelina niakatra teny Antaninarenina ka saika hanatitra an’i Monja Roindefo ao amin’ny lapan’Ambohitsorohitra ka nisian’ny fitifirana nahafatesana sy naharatrana olona maro. Araka ny nambaran’i Bona Jean Pierre, filohan’ny AV7, dia mitsipaka marindrano ny fiverenan’ny filoha teo aloha eto Madagasikara izy ireo noho ity farany namono olona sy namela takaitra sy fery tsy mikatona any am-pon’ny Malagasy maro. Tsy mbola azo eritreretina mihitsy ho an’ity fikambanana ity izany hoe Marc Ravalomanana miditra an-kalalahana eto Madagasikara. Raha tonga eto aza izy amin’ny fotoana manaraka dia tokony hotsaraina ary ampidirina am-ponja, araka ny nambaran’ity filohan’ny AV7 ity ihany.

Momba ny fehin-kevitra nivoaka tany Sandton Afrika Atsimo kosa dia miantso ny SADC mba hijery tsara ny zava-misy marina eto Madagasikara ny AV7, satria amin’izy ireo dia tena diso hevitra ity fikambanana ity ary tsy te hahalala mihitsy ny tolom-bahoaka nandrodanana ny jadona teto. Mety sady mitombina kosa ho an’ny AV7 ny fanambaran’ny filohan’ny FAT amin’ny hanohizana ny fanatanterahana ny sori-dalana araka ny endriny natao rangopohy teny Ivato tamin’ny 9 martsa 2011. Fehiny, kofehy manara-panjaitra sy boloky mpamerin-teny ihany ny AV 7 ka mipasoka ny efa malama sy manamafy fotsiny ny ambaran’ireo rehetra manohana tsy am-piheverana ny FAT. Fa ny tsy azo adinoina, dia namela takaitra ao am-pon’ny Malagasy maro ny vokatr’ireny fandorana trano, toeram-piasana, fandrobana nitranga tamin’ny 26 janoary 2009 ireny. Nisy ny maty, maro ny naratra, tsy resahina ny very asa tao anatin’izany. Koa asa !

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT