Politique

Augustin Andriamananoro Tsy re feo intsony


  • Alatsinainy 20 Febroary 2017

Ny 27 desambra 2016 teo no nivoaka ny fonjan'Antanimora rehefa notanana 17 andro tao ny filoha lefitry ny vondrona Mapar Augustin Andriamananoro. Tsy re feo intsony izy nanomboka teo.

 Nisy tamin’ireo mpanara-baovao no efa naminavina ny fihetsiny taorian’ny namonjana azy.  Raha nanao fanamby dia nisy nahazo volabe mihitsy satria dia toa mitady hitombina tokoa ny ahiahin’izy ireo. Raha ny tsikaritra dia nanomboka tamin’io 27 desambra io dia  tsy hita niravaka volomboasary intsony ity mpanao politika ity, raha ny hita tamin’ny fifampiarahabana nahatratra ny taonan’ny vondrona Mapar tetsy Ambodivona farany teo aloha. Alahelo na  hatezerana noho ilay filoha mpanorina ny vondrona Mapar tsy niteny tsy nivolana mba haneho hevitra ho fiarovana azy fony izy tany am-ponja ve sa nisy fifanarahana nifanaovan’ny fitondram-panjakana tamin’ity mpanao politika ity ho takalon’ny fanafahana azy tanteraka ? Tsiahivina fa mbola misy ny sazy mihantona miandry azy ka anisan’ny mampipetraka ny ahiahin’ireo mpanara-baovao amin’ny fihetsika hafahafa asehony amin’izao fotoana. Efa fomba fiadin'ny fanjakana ihany anefa ny managadra mpanao politika na mametraka sazy mihantona eo ambony lohany mba hanginany sy hipetrahany.


Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT