Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha Soamahamanina. Taorian'ny hetsika tany an-toerana ny talata 22 septambra 2016 dia anisan’ny karohina fatratra Atoa Augustin Andriamananoro
izay efa nohenjehina teny amin’ny Haino aman-jery Viva ny harivan’ny hetsika tany Soamahamanina saingy tsy azo. Nitohy tamin’ny fisavana ny tranony ny raharaha ny ampitson’iny. Ankehitriny dia tsy re intsony ny vaovao mikasika azy. Efa voasambotra ary naiditra am-ponja vonjimaika kosa i Robson Pierre sy Andrianony Tsihoarana nitarika ny hetsika. Omaly alatsinainy 26 septambra no fotoana voatondro hampiakarana azy ireo teny anivon’ny fitsarana saingy nahemotra amin’ny fotoana tsy mbola fantatra raha ny vaovao nomen’Atoa Rasamimanana Justin, iray amin’ireo mpisolovava azy ireo. Tombanana ho ny tsy fahampian’ny olona tokony hohadihadiana dia Atoa Augustin Andriamananoro no anton’izao. Raha tsiahivina, fitarihana fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana, fikomiana sy fanohintohinana ny fanjakana, fahaverezana basy ary fandoroana tanety nandritra ny fihetsiketsehana tany Soamahamanina no vesatra hiampangana azy ireo.Ny somary mahagaga amin’ity raharaha ity dia efa fantatra izao hoe tao amin’ny foiben’ny Viva tao Ambodivona ingahy Augustin Andriamananoro ka raha nisy marina ny fikasana ny hisambotra azy, nahoana izy no mbola afaka nitsoaka ihany ary tsy hita popoka hatramin’izao ?
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.