Somary nahatsikaiky ihany ny nieritreritra ny zava-niseho teny amin’ny haino aman-jery Viva nanomboka ny alakamisy alina teo
. Raha avy nivahiny nivantana teo amin’ny fahitalavitra iny ny tale jeneralin’ny OMERT na ny ofisim-pirenena misahana ny haino aman-jery eto amintsika teo aloha, Augustin Andriamananoro no notsenaina mpitandro ny filaminana teo an-tokotany. Rehefa tsy nifanaraka ny resaka dia niverina tao amin’ny fahitalavitra izy dia samy niseho nivantana tao ny roa tonta. Ny mpitandro ny filaminana moa rehefa nahatsikaritra fa hita nivantana dia niverina nidina moramora tao ambany ary tsy niala tao raha tsy efa maraina. Niery tao amin’ity haino aman-jery ity kosa ny mpanao politika Andriamananoro ary omaly maraina dia niara-nivory tamin’ireo namany ao amin’ny vondrona Mapar sy nanao dinika tamin’ny mpanao gazety. Zary zohy fieren’ity mpanao politika ity ve ny haino aman-jery Viva sa hitolo-batana ny tenany ? Nosavaina ihany koa moa ny tranon’i Augustin Andriamananoro eny Faliarivo Ampitatafika omaly maraina saingy tsy nisy na inona na inona mampiahiahy hita tao, hoy ny mpisolovava azy.
Efa kakay
Raha tsiahivina, anisan’ny fanapahan-kevitra voalohany noraisin’ny filoha Rajaonarimampianina raha vao nandray fitondrana ny nanala ity mpanao politika ity teo amin’ny toerana maha tale jeneralin’ny OMERT azy. Efa kakay ve sa fiandrasana kendry ? Nanomboka tamin’ny fanatrehan’ity mpanao politika ity ny tranga tany Soamahamanina ny alakamisy teo mantsy no nanombohan’ny fanarahan-dian’ny mpitandro ny filaminana ny tenany, raha ny fitantarany. Tanindrazako Soamahamanina, hoy izy, ka hadisoako ve izany ?
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.