Politique

Atrikasa eny Ivato Tsy hamaha velively ny krizy politika, hoy ny Monima


  • Alakamisy 04 Martsa 2010

Nanao fanambarana ny Monima, antokon’ny Praiminisitra teo aloha Monja Roindefo, nilaza fa hanatrika ny atrikasa hotanterahina eny amin’ny Centre de Conférence International eny Ivato manomboka anio sy rahampitso.

Izany, hoy ny fanambarana, dia ho fanajana ny soatoavina sy fahendrena Malagasy ka mamaly ny fanasana. Te hihaino am-panajana ny hevitr’ireo hery velona samihafa misy eto amin’ny firenena ny Monima manoloana izao krizy misy amin’ny firenena izao. Te haneho ihany koa ny fomba fijeriny sy hampahafantatra ny tolo-keviny ho famahana ny krizy ny antoko, dia ny fanatanterahana fihaonambem-pirenena fa tsy atrikasa toy izao atao izao.
Na izany aza anefa, hoy ihany ny fanambarana, dia miteraka ahiahy ary tsy hamaha velively ny “krizy politika” iainana ny atrikasa nantsoin’ny fitondrana ankehitriny samy irery ity. Noho izany, hoy ihany ny fanambarana, dia tsy tompon’antoka velively amin’io atrikasa io sy amin’izay mety ho vokany ny Monima, ka dia tsy handray anjara amin’ny latsa-bato fanapahan-kevitra.

Hanohy ny ezaka efa natombony ny filoha nasionalin’ny antoko Monima, dia ny fifampidinihana mialoha mba ahazoana manatanteraka ny fihaonambem-pirenena iarahan’ny hery rehetra manatanteraka sy mandray anjara, izay hany vahaolana amin’izao krizy izao. Mikasa hanasa ireo rehetra efa namaly ny antsony ny Filoha Nasionalin’ny antoko ho fanomanana fihaonambem-pirenena tena izy.

Nangonin-dRabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT