Politique

Atomotra ny fodian'i Marc Ravalomanana Manakorontana i Lafrantsa


  • Alakamisy 24 Janoary 2013

Mazava izao fa raha mbola i Lafrantsa ihany no Lafrantsa dia tsy misy Marc Ravalomanana tafody mora foana eto Madagasikara izany.

 Resabe avokoa ny filazana fa miova ny fomba fijery sy ny fiaraha-miasan’i Lafrantsa amin’i Afrika rehefa voafidy ho filoha i François Hollande fa dia vao maika mitsabaka amin’ny raharaha anatin’ny firenena i Lafrantsa. Vao omaly no nanamafy indray Atoa François Goldblatt, masoivoho Frantsay vaovao monina sy miasa eto Madagasikara raha avy nanolotra ny dika mitovin’ny taratasy fanendrena azy tamin’i Pierrot Rajaonarivelo, minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy, fa tsy mety (hono) ny hiverenan’i Marc Ravalomanana eto Madagasikara mialohan’ny 8 may 2013 voatondro fa hanombohan’ny fifidianana. Mety hiteraka korontana mantsy izany, hoy ity diplaomaty ity.

Miha mazava ihany ny resaka eto fa toa izany ihany no nambaran’ny filoha Frantsay François Hollande tamin’ny filoha Tanzaniana sady mpitarika ny Troika-SADC, Jakaywa Kikwete tany Parisy fa mba mody noboriboriana fotsiny angamba ny resaka. Dia asa naloha izay mety ho fehin-kevitra mety ho avoaky ny vaomieran’ny filaminana sy fandriampahalemana ao amin’ny Vondrona Afrikana hivory any Addis Abeba, momba ny fodian’ity filoha teo aloha ity fa raha ny hevitry ny Mpanjanaka taloha dia efa mazava, ary efa tsy dia mahagaga intsony. Tsy lavitry ny fanonganana an-dRavalomanana teo amin’ny fitondrana ny Frantsay ary tsy hanaiky mihitsy ny mbola hiverenany eo amin’ny fitondrana ka niasa mafy dia mafy mba hahatanteraka ilay «Ni…Ni». Nampiasainy ireo firenena mpikambana eo anivon’ny COI na Vaomieran’ny ranomasimbe indianina sady mpikambana eo anivon’ny SADC, toa an’i Seychelles sy Maorisy, handroso io vahaolana (?) io. Dia nalemy ho azy teo ny SADC, ary nanapaka raha nivory tany Dar-es-Salaam tamin’ny desambra 2012 fa «Ni…Ni» indray no handramana mba hamoahana an’i Madagasikara amin’ny krizy.

Naleon’ny Renimalala nanao sorona an-dRajoelina mihitsy aloha, mba hahafahana manakana an-dRavalomanana na amin’ny fifidianana na ny fodiany an-tanindrazana, na dia mazava aza ny voalazan’ny andininy faha-20 ao amin’ny tondrozotra hodian’ny sesitany politika rehetra ankalalahana, izay isan’ny fepetra hisian’ny fitoniana, hahafahana manatanteraka fifidianana rahateo izany, nefa inian’i Lafrantsa hosihosena tsotra izao. Matanjaka ny diplaomasia Frantsay ary efa tena tsara fototra aty Afrika, ka sarotra ny hinoana fa ho sahy hanapa-kevitra mifanohitra amin’izay hetahetan’i Frantsay ny Afrikana, na dia io efa mibaribary io aza fa tsy misy izay tsy mikorotana ireo zanatany frantsay aty Afrika, fa mba mody atao mipoapoaka fotsiny angamba ny fanambarana, dia fampiesonana no betsaka. Tsy hiadian-kevitra intsony izao fa tena mitsivalana tanteraka amin’ny fodian’i Marc Ravalomanana eto Madagasikara i Frantsa ary tena hampiasa ny heriny sy ny fahefany hanatanterahana izany. Asa na efa fiomanana amin’ny fiatrehana amin’izay mety ho fiantraikan’io hevitr’i Frantsa io fa dia misy sekoly frantsay eto an-drenivohitra efa manao “exercice d’évacuation” na ampianarina mitsoaka ny mpianatra ao aminy. Ao raha !

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT