Nangingina ny resaka fanovana governemanta tato ho ato. Mifamahofaho tanteraka ny vaovao ary efa nandeha hatry ny ela ny resaka fa tsy maintsy halana ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier.
Mivoaka kosa ny vaovao any an-dapa momba ny adihevitra momba ny olona hapetraka ho solony na ho ela na ho haingana. Raha ny loharanom-baovao iray, ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana no tsara toerana sy ankasitrahan’ny filoha ho eo amin’ny toerana, ary efa saika raikitra ny herinandro teo ny fanovana governemanta. Manosika mafy ny minisitry ny raharaham-bahiny Atallah Béatrice anefa ny vondrona iraisam-pirenena, raha ny loharanom-baovao iray avy any an-dapa hatrany. Efa nisy mihitsy ny resaka nandeha amin’ny saika hametrahany fialana amin’ny toerany ankehitriny noho izay toe-javatra izay. Ananan’ny sehatra iraisam-pirenena fitokisana kokoa ny tenany noho ny fahafehezany ny fenitra iraisam-pirenena, ka izay no hanosehana azy ho eo amin’ny toerana. Sahiran-tsaina tanteraka i Hery Rajaonarimampianina amin’izao fotoana izao, ka tsy mahita izay horaisina intsony na dia efa maro tsy tambo isaina aza ny kiana amin’ny tokony hanalana an’i Mahafaly Solonandrasana Olivier amin’ny toerany. Te hiroso amin’ny fanesorana azy ny filoha saingy matahotra ihany koa satria mahalala zavatra maro momba ny aferan’ny mpitondra ambony ity praiminisitra ity.
Fifidianana 2018
Anisan’ny olona voasokajy ho mpandoto rano ao anatin’ny fitondrana i Mahafaly solonandrasana Olivier noho ireo laza ratsy ananany satria tafiditra ao anatin’ny raharaha kolikoly goavana nahavoarohirohy an’i Claudine Razaimamonjy, izay nampitombo ny fankahalan’ny vahoaka ny fitondrana ankehitriny ny tenany. Na i Hery Rajaonarimampianina aza dia re fa efa tsy faly aminy sy te hanaisotra azy, saingy mbola mieritreritra izay ho vokany aloha mba tsy hijabaka. Miketrika mafy ny 2018 kosa anefa ny tenany, ka re fa raha ny tsy fialan’ity praiminisitra ity no teboka lehibe tsy hahalany azy, dia tsy maintsy hoesorina ny tenany. Heverina fa tsy ho mpiara-dalana intsony ny roa tonta amin’ny 2018 raha dinihina amin’ny toe-draharaha ankehitriny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.