Nandefa taratasy misokatra ho an’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny fikambanana Asandratro ny fireneko, tarihin’ny profesora James Ratsima.
Maro no voaresaka ao anatin’izany, indrindra fa ireo karazana teny fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena tsy mbola tanterany mandraka androany. Anisan’ireny ny tao Moramanga tamin’ny 29 martsa lasa teo izay nambaran’ity fikambanana ity fa toa nahavelom-panantenana ihany satria nanindry mafy mikasika ny fitiavan-tanindrazana. Midika izany ho an’ity fikambanana iray ity fa mila manohitra sy manongotra hatramin’ny fakany ny asam-panjanahana ataon’ireo vahiny miara-dia amintsika ary handroaka ireo mpanjanatany frantsay eto amintsika ny fanjakana. Tsy mamela ny vahiny hanjakazaka sy hibaiko, hoy James Ratsima fa hiady mba hampaleotena tanteraka ny Malagasy. Mino izahay fa tsy ny tenany irery no nambaran’ny filoham-pirenena tamin’iny, hoy hatrany ity profesora ity fa ny rehetra mihitsy. Miantso ny hanatanterahan’ny filoham-pirenena io teniny io ny fikambanana Asandratro ny fireneko. Ankoatra izay, tanyAntsiranana nanatrika ireo mpanao gazety marobe ny filoha ary nilaza ihany koa fa tsy ilaina ny fitsabahan’ny vahiny amin’ny raharaham-pirenena Malagasy. Nilaza ihany koa izy fa tsy hianona amin’ireo mpandraharaha vahiny mpanjanatany isika fa hiantso ireo mpandraharaha tsy miankina eran-tany. Mbola midika koa izany fa mila fahasahiana mijoro ary maka fanapahan-kevitra hendry sy matotra ny filoha mba ho an’ny Malagasy ny tombontsoa azo fa tsy tenenina fotsiny. Tamin’ny frankofonia manokana dia nilaza ny filoha fa mahaleotena ny firenena Malagasy izay milaza mivantana ho anay fa tompon’andraikitra feno amin’izao fahantrana izao izy satria mbola tena eo ambany vahohon’ny mpanjanaka tanteraka ny firenentsika.
Pati
.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.